TIM Fenoarivo Atsinanana – Miantso an-dRavalo hirotsaka hofidiana amin’ny 2023 noho ny traikefany

Isambilo

Nanatanteraka fanameloma-maso sy fanabeazamboho, na redynamisation ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), ireo mpitarika ity antoko ity, tany Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo ny faran’ny herinandro teo. Noho ny traikefa ananan’ny filoha Marc Ravalomanana, amin’ny fitantanam-pirenena sy fahaiza-mitarika, miantso ity ray aman-drenin’ny firenena ity hirotsaka hofidiana ho filoha indray izy ireo amin’ny taona 2023.

Araka ny fanambarana nataon’ireo mpitarika ny TIM Fenoarivo Atsinanana nandritra izany: “diso fanantenana amin’ny fitondrana ankehitriny ny vahoaka, ny Filoha Marc Ravalomanana no efa manana traikefa amin’ny fitondrana ny firenena, koa miantso azy izahay hirotsaka ho fidiana ho filohampirenena indray, mijaly sy tena sahirana ny vahoaka amin’izao fotoana, ny filoha Ravalomanana ihany no anisan’ny hahavaha izao olana lalina eto amin’ny firenena izao.”