Fiainam-pirenena – Tratran’ny « taquet d’arrêt » i Madagasikara

Ny Valosoa

Hiverina indray eto Antananarivo Renivohitra ny fametahana “taquet d’arrêt ” amin’ireo fiara, izay tratra miantsona amin’ny toerana tsy tokony ijanonana.

Volabe no aloa amin’ny Cua vao afa-mihetsika ilay fiara, ny fakam-bola rahateo no mahamendy an’Ingahy Ben’ny tanàna Vazahabe sy ny forongony, fa tsy ny hifantoka amin’ny fikarakarana ny tanàna toy ny fandraofana ny fako sy ny fanamboaran-dalana, izay efa herinandro maromaro no nambara fa natomboka, saingy tsy hita izay vita, kanefa ny fifamoivoizana tapaka, ankoatr’ireo dia ny fitoriana ireo mpanolotsainan’ny tanàna sahy mijoro milaza ny marina no ihazakazahana, ny vokatr’izany rehetra izany dia ny fiainan’ny vahoaka eto Antananarivo Renivohitra mihitsy no tratran’ny “taquet d’arrêt”, mikatso tsy afa-mihodina kanefa takiana volabe toy ny hetran-trano sady miaina ao anatin’ny loto sns…

Fa tsy ny fiainan’ny vahoaka eto Antananarivo Renivohitra ihany no mikatso, fa efa manerana an’i Madagasikara no misy ny “taquet d’arrêt” mampikatso ny fihodin’ny raharahampirenena, vokatry ny fitantanana gaboraraka ataon’Ingahy Filoha Rajoelina sy ny forongony. Ohatra faran’izay tsotra; ny fomba nitantanana ny vola nampiasaina tamin’ny fiatrehana ny aretina koronaviriosy dia manome vahana ny mpamatsy vola iraisampirenena hametaka ny “taquet d’arrêt”amintsika malagasy, tsy izay ihany fa mbola ao koa ny fanamparam-pahefana ataon’ny fitondrana amin’ny fanaovan’ny olona akaiky azy ampihimamba ny fanondranana ireo vokatra mampalaza antsika malagasy, toy ny lavanila sy ny lodsia sns.., ny raharaha fanondranana volamena sy harena sarobidy antsokosoko hafa izay toa vitavita ho azy, sns…

Vao tamin’ny Talata 03 Mey 2022, nandritra ny fankalazana ny “andro iraisampirenena ho amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovangazety”, dia tsy tahotra tsy henatra Ramatoa Minisitra Lalatiana miadidy ny Serasera sy ny Kolontsaina, nanambara fa malalaka hono ny asa fanaovangazety eto Madagasikara ary tsy nisy ny famonjana mpanao gazety hatramin’ny 2019 nitondran’Ingahy Filoha ankehitriny, kanefa iza no tsy mahatsiaro ny nampidirana am-ponja ny Talentsika teto amin’ny gazety ” Ny Valosoa Vaovao” nandritra ny iray volana tamin’ny taona 2020, ny Radio sy Televiziona MBS tsy avela handeha any amin’ny “Canal plus sy Startimes ary Blueline” nanomboka tamin’ny 05 Febroary 2020, ary izy mirahavavy mpanolotsainan’ny tanàna izay mpanentana fandaharana ao amin’ny MBS tsy avela hiteny, saingy ny mahatsikaiky tsy nandrasana ela fa ny andron’io 03 Mey 2022 io ihany, dia tonga ny valin-kafatra avy amin’ny “RSF” na” Reporter Sans Frontières”, nilaza ny filaharana sy ny isa azon’i Madagasikara eo amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovangazety, dia nibaradaka niaro tena ny minisitera fa petatoko hono ny navoakan’ny “RSF”, kanefa dia iaraha-mahalala fa matihanina amin’ilay taranja no nanao ny fanadihadiana ary eken’izao tontolo izao izay vokatra avoakan’izany “RSF “izany.

Dia nampiakarina indray ny karaman’ny mpiasa malagasy, tsy misy ny maharatsy an’izany, fa ny manahirana dia hita fa hevitra taingina no betsaka, tsy mifanaraka amin’ny lalàna ireo fepetra petatoko izay azo antoka, fa hotsikafonin’ireo solombavambahoaka, tsy manaiky lembenana amin’izao fivoriana ara-potoana handinihana ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny tetibola izao.

Mikasika ny dian’Ingahy Filoha Rajoelina tany Etazonia dia ireny niaraha-nahita ireny ny vokany fa tsy nahazo famatsiambola ilay “Pem”, ary ny firenentsika dia voasokajy ho anisan’ireo firenena marefo indrindra eran-tany, izay mbola mampirehareha ny mpitondra ihany, kanefa dia mampisitribelona izany, mahamenatra satria voasokajy ho anisan’ny firenena farahidiny eran-tany i Madagasikara no dikany.

Amehezana azy dia mafy ny “taquet d’arrêt” mipetaka amintsika malagasy vokatry ny nataon’ny mpitondra, ary ny tena mahasarotra ny raharaha dia ny fianakaviambe iraisampirenena mihitsy no mitana ny fanalahidin’ilay “taquet d’arrêt”, ny vahaolana ho antsika vahoaka malagasy, dia tsy misy afa-tsy ny fahaizana mifidy ihany amin’ny taona 2023 na mialohan’io, io no fomba hahafahana hanala ny “taquet d’arrêt” mampikatso antsika.