Collectif des Elus TIM – Manohitra ny antsojay atao amin’ny mpanolotsaina namany

Helisoa

Manoloana ny antsojay miendrika politika, atao amin’ny mpanolotsaina Clemence Raharinirina sy Lily Rafaralahy ary ireo mpanolotsaina 5 mirahalahy, ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) dia nanao fanambaràna ny Collectif des Elus TIM, izay itambaran’ny ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ao anatin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), izay eo ambany fiahian’ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM sy RMDM. Ny mpanolotsainan’ny tanàna, filohan’ny Collectif des Elus Andrianjafy Christian, no nitondra teny tamin’izany.

Tsipahinay marindrano hoy ny fanambaràna ny fanitsakitsahana ny zon’ireo mpanolotsaina. Ny famoronana dossier tsy mitombina, ny fanalam-baraka, ny fanelingelenana samihafa ary indrindra ny fikasàna sy ny paipaikady hanalàna ny mpanolotsaina eo amin’ny toerany, izay tsy mifanaraka amin’ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena. Koa antsoina isika olomboafidy rehetra na ben’ny tanàna, na mpanolotsaina manoloana izao ramatahora izao, mba hiaraka hientana sy hifanome tanana ary handray andraikitra manoloana izany rehetra izany. Mahatoky ny fijoroan’ny fitsaràna amin’ ny fahamarinana ary ny tsy fitongilanan’ny mpitandro filaminana izahay hoy ny Collectif des Elus, no sady manohitra marindrano amin’ny endriny rehetra izao fihetsika mampidi-doza izao, satria na ny fototra niavian’izao raharaha izao sy ny manodidina azy aza dia tsy mbola nanaovana famotorana sy fanenjehana akory, nefa lazaina ombieny ombieny fa tany tan-dalàna i Madagasikara.

Raha mila tanàna sy firenena mandroso isika izay dradradraina etsy sy eroa dia tokony tsy hiditra amin’ny toe-javatra toy izao, fa tokony hanana toe-tsaina demokratika. Ny fanaovana ramatahora sy fanapenam-bava toy izao dia mety hiteraka korontana , ka tompon’andraikitra amin’izany ny mpitondra sy ireo mpitsara, izay tsy manaja ny fahamarinana, ka tsy tompon’andraikitra amin’izany ny TIM araka ny fanambaràna nataon’ny Collectif des Elus. Raha ny vaovao farany teny Anosy omaly dia mbola natao fanadihadiana lalina teny izy 7 mianadahy. Miandry ny tohiny indray ny rehetra.