Mpiasan’ny CNAPS misotro rorono – Manahy ny amin’ny ho avin’ireo mpiasa mpandoa latsakemboka ao

Helisoa

Manoloana ny zavatra maro ataon’ny fanjakàna ankehitriny ao amin’ny CNAPS dia maneho ny alahelony, sy hatezerany ireo mpiasan’ny CNAPS teo aloha izay efa misotro ronono ankehitriny.

Nisy araka izany ny resadresaka nataon’ireto farany tamin’ny mpanao gazetin’ny Ny Valosoa VAOVAO. Raha ho anay manokana hoy ireto ray amandreny ireto araka ny nambarany, dia tsy tokony hiteny intsony izy ireo, satria efa mahazo taona no tsy misy fiantraikany mivantana aminy intsony izay mety ho loza manjo ny CNAPS ankehitriny, indrindra ireo izay mpiasa marobe mandoa ny latsakemboka ao, fa tsy mety ary tsy mandry ny eritreritray hoy izy ireo. Zavatra tsy fahita hatramin’izay tao anatin’ny fotoana nijoroan’ny CNAPS hoy izy ireo, ny zavatra misy ankehitriny. Ohatra ny misy eritreritra mihitsy hoy ireto zokiolona ireto ny hanapotehina ny orin’asa na ankolaka io na mivantana, ka anaovana ny CNAPS ho toy ireo orin’asa toy ny banky BFV sy BTM teo aloha, ny Gara sns … Na tiana omena olon-kafa mihintsy ny fitantanana izany.

Hatramin’izao isika miteny izao, mbola tsy niova ny sata mifehy ny CNAPS, nefa dia ataon’ny mpitantana araka izay tiany hanaovana azy. Maka vola ao amin’ny CNAPS ny filoha nandritra ny hamehana ara-pahasalamana, ka mampindrana vola alaina ao amin’ny CNAPS toy ireny Banky ireny. Nampindrana vola ny kaominina Antananarivo Renivohitra 11 miliara ariary, ny CNAPS no mandoa ny karaman’ny mpanazatra ny BAREA, sns…

Velom-panontaniana izy ireo hoe: aiza ny BIANCO sy ny SAMIFIN, no tsy mandray andraikitra manoloana izany? Tokony hisy ny fanaraha-maso ataon’ny fitondràna amin’ny asa izay atao rehetra, fa tsy tokony havela amin’izao fotsiny. Fa ny tena loza araka ny nambaran’ireto zokiolona ireto dia ny fampiakarana ny karaman’ny orin’asa tsy miankina, ka ny fanjakàna no handoa ny 30000 ariary amin’izany. Ny fandoavan’ny fanjakàna izany dia tsy mandoa ny vola 34000 ariary any amin’ny CNAPS intsony ny orin’asa tsy miankina, fa io no anjara raisin’ny fanjakàna hanondrotana ny karama ho azy ireo. Tena loza mitatao io fa dia ho faty tanteraka ny CNAPS ary tsy ho voaloa intsony ny fisotroan-dronon’ireo be antintra raha tanteraka izany. Ny karaman’ny mpiasam-panjakàna sasany sy ny vatsimpianarana ho an’ireo mpianatra aza sahirana ny fanjakàna mandoa azy, koa inona no vola harotsany any amin’ny CNAPS eo ?

Manoloana izany indrindra dia mangataka ireto mpiasa teo aloha tao amin’ny CNAPS ireto, fa tokony hoesorina avokoa ireo olona avy any ivelany, izay tsy mahalala ny asa tokony hatao fa resaka kitranoantrano no betsaka. Havan’ny mpitondra tsy manana traik’efa amin’ny resaka fisotroan-dronono no tafiditra ao. Maro be ny mpiasa ao amin’ny CNAPS categorie 8 mahay sy mahavita ary mahatana tsara ny asa ao hoy izy ireo ary fanadinana ara-dalàna no niantsoana azy ireo. Mampaneno lakolosy izahay hoy ireto ray amandreny ireto, fa ho avy ny fotoana hiresahanay raha toa ka minia mikimpy ny fanjakàna, ka hamotika ny CNAPS, izay ny sosialin’ny mpiasa marobe no ho potika ao anatin’izany.