Loza voajanahary – Mirongatra ny andiam-balala any amin’ny faritra Menabe

Rajepa

Samy nahazoana tatitra ny fisian’ny andiam-balala avokoa ny distrika 5 ato amin’ny faritra Menabe, hoy ny talem-paritry ny fambolena sy fiompiana, Andriamatoa Serge Andriamiarinera, fa efa faritra mena amin’ny fisian’ny andiam-balala kosa ny ao amin’ny distrikan’i Manja, satria ny kaominina 6 mandrafitra ity distrika ity dia efa samy ahitana andiam-balala avokoa.

Efa amperin’asa ireo mpamono valala, ka angidim-by sy fiara, no ampiasaina raha ny any Manja manokana, fiara kosa no ampiasaina amin’ireo distrika sasany, rehefa vita tanteraka ny ao Manja vao hikisaka hanatevin-daharana ireo mpamono valala any amin’ny distrikan’i Mahabo amin’ny kaominina Mandabe sy Ankilizato ary Ambia ny angindimby, fa Manja aloha no vonjena satria efa novonoina ihany ny tao Manja saingy noho ireo valala avy any Befandriana Atsimo nikisaka ao Manja dia vonoina ao Manja mba tsy hikisaka indray.

Tara moa ny famonoana satria tsy maharaka ny fanafody teo aloha, eo koa ny fitsirihina izay ataon’ny teknisianina aorian’ny tatitra azo, na dia izany aza dia tsy hisy vokany amin’ny voka-bary ato Menabe izao andiam-balala izao, fa ny ao amin’ny distrikan’i Mahabo no mety hisy fahasimba ny vokatra, satria anatin’ny fiakaran’ny vary mihintsy izao fotoana mampisy ny valala izao, koa miezaka ny IFVM, na ny ivonterana famonoana valala eto Madagasikara, mandamina ny famonoana ny valala.

Ka entanina ny olona tsy hihinana ireo valala efa maty tratran’ny fanafody. Raha ny tatitra sy fidinana ifotony nataon’ireo teknisianina dia efa mahatratra 5.000 Ha ny velaran-tany anjakan’ny andiam-balala.