Manao tsipaipaika ny vahoaka – Tsy vitan’ny fanjakana intsony ny fanamboarana ny RN8

Rajepa

Manoloana ny faharatsin’ny lalana RN8 mampitohy an’i Belo sur Tsiribihina sy Morondava faritra Menabe, izay mirefy 90km hatao anatin’ny adin’ny sivy dia nandray andraikitra ireo vahoaka izay notarihin-dRamatoa Ramanamihanta Olga, ka naka ireo fitaovana tao amin’ny faritra ary manao tsipaipaika, mba hanamboarana iny RN8 iny, satria raha noresahiny ny tao amin’ny faritra dia nilaza fa ny fitaovana misy, fa ny enti-manana hampihetsika azy ireo no tsy misy.

Hatramin’izao tsy mbola tonga na ny tetibola 2021 tokony hiasan’ny faritra, nandray andraikitra avy hatrany ramatoa Olga, ka naka ireo fitaovana ary niantoka ny karaman’ny mpiasa sy niantoka solika nanao antso avo tao amin’ny tambazotran-tserasera moa izy, ka maro no efa namaly satria dia efa nahazo gasoil 370 litatra raha 2500 litatra no ilaina hahavita izany lalana izany. Ny faritra no nanome ny ingénieur, mampalahelo ny zavatra misy hoy ramatoa Olga fa raha nantsoina mba hanampy ny solombavambahoakan’i Belo sur Tsiribihina dia fanakiviana sy fanakanana no nataony “aleo ho simba eo hoy izy fa tsy vita io, programme ngezabe io ka zaho tsy hanampy na dia Ariary aza” hoy ingahy Depiote, toa mampalahelo raha izany ny toe-tsain’ny olom-boafidy.

Nanambara mazava ramatoa Olga, fa tsy misy ambadika politika no nanaovany ny asa fa mahatsiaro ny fijalian’ny olona mampiasa ny lalana izy, sady amin’ny maha mpanangom-bokatra azy koa izay sahirana amin’ny fitaterana dia nandray andraikitra izy. Koa manao antso avo izy amin’izay tsara sitrapo, mba hanampy azy fa mbola lavitra ny ezaka. Mangarahara tanteraka ny fitantanana izay fanampiana ho azo hoy izy, koa miantso ireo vato nasondrotry ny tany avy ao Belo sur Tsiribihina izy, mba hanampy azy. Ity ny laharan’ny findainy 034 74 364 20 ho an’izay hanampy.

Hatreto dia mahatsiaro ho kamboty mihintsy iny distrikan’i Belo sur Tsiribihina iny, satria tsy misy ny fandriampahalemana, vidim-piainana miakatra isan’andro, ny lalana ratsy, ny solombavambahoaka mba nantenaina hitondra ny tarainan’ny vahoaka tsy hita itarainana. Koa manao antso avo ny vahoaka raha mbola misy mpitondra afaka mihaino azy ireo ihany eto Madagasikara.