Tsy mahavaha olana ny fisondrotan-karama – Mihàtra amin’ny taolana ny fahantrana ho an’ny maro an’isa

Andry Tsiavalona

Maha be resaka tokoa ny fampiakarana karama nolazain-dRajoelina Andry rehefa tafaverina avy any Washington izy, sy ny delegasiôna mafonja niaraka taminy. Ny nahatonga ny ady hevitra dia ny antony voalazany fa nahatonga azy hampiakatra ny karama dia ny ady any Ukraine sy ny rivodoza efatra nandalo teto Madagasikara ary ny valanaretina covid-19.

Fantatro hoy izy ny fahasahiranan’ny mpiasa noho ireo antony ireo. Toa tsy fantany na efa tsy manana fitadidiana intsony ity filohan’ny Repoblika ity, fa noho ny fihibohana izay niteraka ny fikatonan’ny orinasa maro, ka naha very asa ny ankamaroan’ny mpiasa tany amin’ireo orinasa nanakaton-trano ireo. Nanampy trotraka izany ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy nisy fiatoana noho ny tsy nahafahan’ny olona namokatra intsony, izay mazava ho azy, fa eo amin’ny sehatry ny varotra dia ny lalàn’ny tolotra sy ny tinady no mibaiko azy. Noho izy ihany koa no nahazoan’ny valanaretina nahazo vahana, izay notsinontsiniavina tanteraka satria, hono, tsy mafy noho ny kolérà sy ny pesta, ka tsy nekeny ny fanidiana ny sisintany satria hisy fiantraikany amin’ny toekarena malagasy izany. Rehefa halalinina anefa ny tena anton’izany dia mbola nisy havana na mpiray petsapetsa tsy tafaverina an-tanindrazana, ka tsy maintsy nandrasana ny fiverenany vao nakatona ny sisintany.

Nahazo fanampiana avy any amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny fitondrana nentina nanampiana ny vahoaka kanefa dia tari-drano an-kilahila ny nitantanana ny fanampiana, ka ny very no betsaka. Nozaraina ny « vatsy tsinjo » sy ny « tosika fameno », nanafatra sambo roapolo isa hitondra vary sy kojakoja ilain’ny mponina andavanandro, kanefa efa mihàtra amin’ny taolana ny fahantrana vao tonga ny vary amidy arivo ariary ny iray kilao. Tsy mahavaha ny olana mianjady amin’ny vahoaka anefa izany. Tsy mahavaha ny olana mianjady amin’ny maro an’isa koa ny fisondrotan-karama. Talohan’ny ady any Ukraine, no nandalo ny rivo-doza telo izay nandravarava ny tany Atsimo Atsinanan’ny Nosy ary marina fa nanamafy ny fahasahiranan’ny vahoaka tany an-toerana ireo saingy, tsy taorian’ireo vao sahirana ny mponina manerana ny Nosy. Ny volana febroary 2022 vao nipoaka ny ady any Ukraine ary tsy mbola misy fiantraikany eto Madagasikara izany ady izany.

Araka izany dia mbola mitohy mampandry adrisa ihany Rajoelina Andry, satria maro an’isa ny mpiasam-panjakana ao anatin’ny sokajy voalohany sy faharoa (categories I sy II) dia hampiakarina 25¨% ny karamany, ka mampihena kely ny elanelan’ny karamany amin’ny an’ireo sokajy anelanelany fahatelo, ka hatramin’ny fahasivy izay nasondrotra 13% izany. Raha ity lafiny ity no jerena dia toa voasaina ny fanapahan-kevitra saingy tsy mahavaha ny olana mianjady amin’ny mpiasam-panjakana izany. Efa niadian’ny “grands corps” tamin’ny tetezamita ny fanavaozana ny “grille indiciaire”, ka ny maripa-haizana (diplôme) mitovy dia mari-karama mitovy izay azo antoka, fa hampivaha ny lonilony eo anivon’ny samy mpiasam-panjakana, ka mampizarazara azy.

Tsy ny mpiasam-panjakana irery ihany koa no sahirana fa eo ireo very asa noho ny fihibohana sy ireo tantsaha malagasy izay hahilika sy tsy novidiana ny voka-bary, fa ny mpamboly vary any amin’ny firenen-kafa no omena tombony. Ambonin’izany dia bodoin’ny mpitondra amin’ny alàlan’ny SPE ny fanafarana ny kojakoja ilain’ny mponina andavanandro, izay manilika ny mpandraharaha malagasy amin’ity sehatra ity, ka mampiakatra ny isan’ny very asa. Ka pimaso ataon-dRajoelina Andry amin’ny mpiasa rehetra, na amin’ny sehatra miankina na tsy miankina, ve izao fampisondrotana ny karama izao? Ny Malagsy tokoa mantsy toa mora mionona dia aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy ary atao sotro ranon’akoho izao, ka izay kely azo andrandraina.

Tsy vonji-tavanandro no tadiavina eto amin’ity Firenena ity, fa vahaolana maharitra, ka tsy hahasakana ny sarom-bilany tsy hipoaka izao fampiakarana karama izao ary tsy hampiakatra ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy, satria hisy fiantraikany eto amin’izay ny ady any Ukraine, izay hiteraka fiakaran’ny vidin-tsolika indray.