Depiote TIM – Nanamafy fa hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta

Stefa

Nanamafy ireo depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), fa hanao fitsipaham-pitokisana na motion de censure ny governemanta. Efa voavolavola ny rijan-teny mahakasika izany amin’izao fotoana, hoy ireo depiote avy amin’ny antoko natsangan’ny filoha Marc Ravalomanana.

Tao aorian’ny fanokafana ofisialy ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena ny talata lasa teo, no nanambaran’izy ireo an’izany. Efa miroso amin’ny fanangonan-tsonia koa ireto olom-boafidy mpanohitra ireto ankehitriny. Antsasa-manilan’ireo depiote no manao sonia ny rijan-teny dia azo alefa ho fidiana ao anivon’ny Antenimierampirenena ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta, izany hoe depiote miisa 76. Raha ny 2/3-n’ity andrimpanjakana ity indray avy eo no mandany ilay fitsipaham-pitokisana dia tafita eny Tsimbazaza ny ho fanalana ny governemanta. Mankeny amin’ny Antenimierandoholona avy eo, raha mifanohitra amin’ny hitranga eny Tsimbazaza no mitranga eny Anosikely dia miverina any Tsimbazaza indray, ary ny ao ny tompon’ny teny farany.

Na ho tafita, na tsy ho tafitra aloha ity volavolana fitsipaham-pitokisana ity, efa mihozongozona ny governemanta, sy ny fitondrana Rajoelina mihitsy. Momba ity ketrika ataon’ny depiote TIM ity, nanambara ny depiote Todisoa Andriamampandry, solombavambahoaka TIM ao amin’ny Boriboritany faha-6, fa azo sokajiana ho fahavalom-pirenena ireo depiote tsy handany izany fitsipaham-pitokisana izany, satria efa tena sahirana, sy tena farahidiny mihitsy amin’izao fotoana ny vahoaka.