04 aprily 2020- 04 mey 2020, famonjana tsy mitombina – Ny marina momba ny raharaha mpanao gazety Arphine, nogadrain’ny fitondrana Rajoelina nandritra ny 1 volana

Isambilo

Rehefa nogadrain’ny fitondrana Rajoelina nandritra ny 1 volana ny mpanao gazety Arphine Rahelisoa, sady talen’ny famoahana ny gazety Ny Valosoa Vaovao ity, ny 4 aprily 2020 ka hatramin’ny 4 mey 2020 dia nivoaka ny fonja ny alatsinainy 4 mey 2020. Izany hoe mitsingerina omaly 4 mey 2022 ny faha-2 taona nivoahany ny fonjan’Antanimora rehefa nampidirin’ny ministra Lalatiana, ry Rinah Rakotomanga ary ny fitondrana Rajoelina am-ponja izy tamin’izany fotoana izany, nandritra ny nisian’ny hamehana ara-pahasalamana teto amintsika. Nanambara ny filoha Rajoelina ny alahady 3 mey 2020, nandritra ny fanamarihana ny andro eran-tanin’ny andro fanaovan-gazety, fa havoaka ny mpanao gazety nampidirina am-ponja, ka ny ampitson’iny dia navoaka an’Antanimora tokoa i Arphine ny alatsinainy 4 mey 2020. Izao anefa afak’omaly dia nilaza indray ny ministra Lalatiana, fa tsy nisy mpanao gazety nogadraina noho ny asany tamin’ity fitondrana Rajoelina ity, ny filoha Rajoelina mihitsy anefa tamin’izany no nilaza fa havoaka ny mpanao gazety.

Marihina fa zavatra tsy nataony no nampidirana am-ponja ny mpanao gazety Arphine Rahelisoa tamin’izany. Nandritra ny hamehana ara-pahasalamana ny taona 2020, tao aorian’ny 21 martsa 2020 nidiran’ny valanaretina coronavirus teto amintsika, tsy namoaka gazety amin’ny taratasy intsony ny gazety Ny Valosoa Vaovao, toy izany koa, tsy nisy ny famoahana tamin’ny tambazotran-tserasera facebook ny lohateny pejy voalohan’ny gazety tamin’izany sy io gazety ara-taratasy io fa nalefa amin’ny tambazontran-tserasera. Ny adiresy facebook ny gazety Ny Valosoa Vaovao dia: gazety valosoa rakoto. Misy kosa anefa olona tia sy mpanara-dia ny gazety Ny Valosoa Vaovao any an-drafy, any Frantsa, namorona pejy facebook hafa ka ny adiresin’izany facebook izany dia: ny valosoa vaovao, io facebook tany an-dafy io tamin’izany fotoana izany no namoaka tamin’ny pejy facebook-ny fa:”Rajoelina mpamono olona, Rajoelina assassin, Rajoelina killer!”. Ny antony namoahan’ireo olona any an-dafy ireo izany dia noho ny Filoha Rajoelina sy ny fitondrana tarihany tamin’izany fotoana izany, tsy nanaja ny fepetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana tsy mahazo mamory olona marobe tamin’ny fizaran’izy ireo ireo fanampiana vatsy tsinjo, vary mora,… nefa nitangorona marobe ny olona, mety nanamora ny fiparitahan’ny valanaretina. Amin’ny maha-talen’ny famoahana ny gazety Ny Valosoa Vaovao an’i Arphine dia izy no nantsoin’ny ao amin’ny cybercriminalité, nefa tsy misy idirany mihitsy izay nataon’olona tany an-dafy tany. Voamarina tao amin’ny cybercriminalité rahateo izany, olona any an-dafy no mitana ny pejy facebook : ny valosoa vaovao ary pejy facebook eto an-toerana an’ny gazety Ny Valosoa Vaovao an-taratasy kosa ny: gazety valosoa rakoto, izay efa tsy namoaka pub, na namoaka zavatra tao amin’io pejy io intsony hatramin’ny 21 martsa 2020 nidiran’ny valanaretina coronavirus teto amintsika. Arak’izany nampidirina am-ponja tamin’ny zavatra tsy nataony akory i Arphine 2 taona lasa izay.

Noho izay tsingerin-taona mangidy teo amin’ny fiainany izay, nanambara izy omaly fa:” 2 taona androany 4 mey no nivoahako ny Fonjan’Antanimora, nisy nahazo tombontsoa tamin’izany ve ianareo nanagadra ahy izay mpanao gazety kely ity? Mafy ny nahazo nefa tsy atao mahakivy, fa zezika natao hampiroborobo ny fitiavana ny asa sy ny tanindrazana izany.”

Marihina fa 10 taona ny gazety Ny Valosoa Vaovao an-taratasy tamin’ny taona 2020 io, sy ny pejy facebook-ny: gazety valosoa rakoto, tsy nisy olana mihitsy tamin’ny lahatsoratra na ny zavatra izay navoakany, nandalo ny fitondrana tetezamita, ny fitondrana Rajaonarimampianina ary herintaona ny fitondrana Rajoelina tamin’izay, tsy nisy mihitsy ny olana, fa ny zavatra navoakan’ireo olona tany an-dafy: tia sy mapanaraka ny gazety Ny Valosoa Vaovao, izay tsy nataon’i Arphine akory no nanagadrana azy. Tena tsy rariny satria zavatra tsy nataony no nampidiran’ny fitondrana Rajoelina azy am-ponja.