Faritra Menabe – Nanjavona ireo OJM tamin’ny fankalazana ny 3 mey

Rajepa

Isan’ny nankalaza ny 3 mey, andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny mpanao gazety tao amin’ny faritra Menabe, izay nokarakarain’ny fikambananan’ny Collectifs des Journalistes ary notronin’ireo solontenam-panjakana, izay notarihan’ny Préfet an’i Morondava Rafidison Fidèle, sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, ka toy izao ny fizotry ny fankalazana: ny maraina dia hazakazaka nanodidina ny tanànan’i Morondava, niarahan’ireo mpanao gazety tamin’ireo sampandraharaham-panjakana sy ny OMC, nanomboka tamin’ny 6 ora maraina izany, niainga avy teo amin’ny tranoben’ny Tanora ary nitohy tamin’ny dihy mirindra zumba, teo amin’ny tokontanin’ny Trésor, nisy taorian’izay ny fiaraha-niala hetaheta.

Tamin’ny 10 ora kosa dia nitsidika ny orin’asa SOMPEMO ny mpanao gazety, ka hita tamin’izany fa na dia efa mihodina aza ity orin’asa ity dia mbola iray ampahatelon’ny tanjaky ny orin’asa ihany no mihetsika, ka angatahan’ny mpitantana ny orin’asa SOMPEMO ny fanafainganana ny fanomezana azy ireo ny fahazoan-dalàna hanjono. Tapaka ihany koa fa hapetraka ny fiaraha-miasan’ity orin’asa ity sy ny mpanao gazety amin’ny fanohanany ny mpanao gazety. Ny atoandro kosa dia fiaraha-nisakafo tao amin’ny Mi Hôtel ary ny latabatra boribory izay niarahana tamin’ireo Ray aman-dreny ato amin’ny faritra Menabe sy ireo mpiara-miombon’antoka, no namaranana ny fotoana izay ny masoandro maty no nampalahelo, satria dia efa tamin’ny 7 ora sy sasany hariva vao vita. Nandritr’izay ihany koa no nampahafantaran’ny filoha lefitry ny FAJM, fa tafajoro ara-panjakana ny Fédération des Associations de Journaliste de Madagascar na FAJM, mbola hisy hoy izy ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy, ka efa nanentana ireo journalistes namana sahady izy hiditra mpikambana ao amin’ny FAJM.

Noho ny Association des Collectifs des Journalistes moa no nampisy izao hetsika izao, fa tsy hita sady tsy tazana koa ireo filoha lefitry ny OJM, izay voafidy tato Menabe na dia teto an-toerana aza tamin’io andro io, ka samy nametra-panontaniana ny rehetra, eny fa na dia ny Préfet an’i Morondava ary dia nanindry mihintsy tamin’ny kabarany hoe misy ve ny solidarité eo amin’ny mpanao gazety? Aiza ireo OJM na holafitry ny mpanao gazety? nilaza mazava ireo mpanao gazety fa misy sasany manambony tena, ka tsy mitambatra amin’ny maro mihintsy ary manao ny hafa ho fitaovana, anisan’izany ny filoha lefitry ny OJM ato Menabe satria ireo mpanao gazety mpiara-miasa aminy no ataony fitaovana manao sur terrain fotsiny, fa izy miandry vokatra ary tadiaviny hatao fitaovana toy ireo mpanao gazety miara-miasa aminy ny mpanao gazety ato Menabe, koa ahiana ny fahapotehan’ity asa masina ity raha tsy miova famindra ny filoha lefitry ny OJM ato Menabe.

Miantso an-dramatoa filohan’ny OJM handray ny andraikiny manoloana izao fihetsika fanaovana tsinontsinona ny 3 mey izao ny mpanao gazety ato Menabe, satria andro lehibe ho an’ny mpanao gazety ny 3 mey, nefa dia ireo tokony hitarika sy hiady amin’ny fametrahana ny hasin’ny asa fanaovan-gazety indray, no manao tsinontsinona ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ka na dia fiarahabana ireo mpanao gazety izay nifidy azy sy tarihany amin’ny maha filoha lefitry ny OJM azy aza tsy nisy.