Fitondrana Rajoelina – Bevava fotsiny nefa tsy mahavaha olam-bahoaka

Sôh’son

Tsy mbola nisy vahoaka malagasy fadiranovana toy izao hatramin’izay nisian’ny firenena malagasy. Olom-bitsy mpanefoefo malagasy sy teratany vahiny no mitavana ny harena eto, sy migalabona amin’ny fiadanam-be, fa ny sarambabem-bahoaka maro an’isa miaina lalina ny fahantrana. Izany manjo azy izany indray koa dia mbola miampy ny fanilihana mangina azy eo amin’ny tany onenany. Manomboka tsy ho tompon’ny taniny intsony ny Malagasy tato anatin’izao fitondrana Rajoelina izao. Hatramin’izay naha teo amin’ny toerany an’izao fitondrana izao tato anatin’ny efatra taona latsaka izao, dia tsy nitsahatra ary niseho lany ny fanilihana mponina amin’ny tany nonenany efa aman-taonany maro, misy aza efa ho aman-jatony mihitsy toy izay nitranga farany tany amin’ny faritra noresahan’ny haino aman-jery andro vitsy lasa izay. Tsy maintsy misy hatrany mponina mitaraina saika isan-kerinandro, fa misy milaza ho tompon’ny tanin’izy ireo, ary dia manao antso avo hatrany amin’ny filohan’ny Repoblika izy ireny ny ankamaroany. Hatreto anefa tsy hita ho nihetsi-bolomaso amin’izany ity iantsampazana. Tsy mbola nahenoina na iray aza, fa namaha ny olan’izy ireny ity nanaovana antso sy nitarainana ity. Antso diso fiantefa ve? Sa voafitaka bevava tamin’ny fampielezan-kevitra sy fihetsika fony izy mbola tsy teo amin’ny fitondrana? Tsy ireo ihany aloha no sokajin’olona voafitaka fa maro.

Ny tsikaritra hatreto, tsy mbola nilamina ny olan’ireny mponina maro samihafa manerana ny Nosy ireny. Vahoaka tsy misy mpiahy. Tsy lavina ary iaraha-mahita, fa miseho ho mpiaro ery ireo vahoaka ireo ny solombavambahoaka misahana ny momba ny fananantany eo anivon’ny Antenimierampirenena. Manangam-bovona sy miaka-peo mafy mihitsy aza indraindray rehefa henjana ny raharaha amin’ny resaka adin-tany. Fa hatreto koa, tsy hita mazava izay nisongadina amin’ny fiarovana ireny vahoaka ireny. Anisan’izany, ohatra, ny olan-tany manjo ny mponina eny Antanandrano noho ny ataon’ny karana mpangoron-karena eto amin’ity firenena ity, kanefa hita ho tsy nahahovoka ary karazany niala maina ilay solombavambahoaka. Tsy voaarony ny vahoaka.

Mijaly amin’ny saika ny sehatra rehetra ny sarambabem-bahoaka amin’izao fotoana izao. Mifehy kibo mafy izy isan’andro miatrika ny fiainany, izay toy ny mandeha ihany ny fahitana azy kanefa rehefa dinihina lalina mifono olana matevina. Ezaky ny vahoaka malagasy manokana anefa izany, fa tsy misy asan’ny fitondrana. Ny fitondrana izay karazany mitazam-potsiny sisa, toy ireo polisy mpandrindra fifamoivoizana anaty fitohanana henjana ny zava-misy. Izany no fiainan’ny vahoaka malagasy ankehitriny izay tsy antenaina hisy fihatsaràny mandrapahatapitr’izao fe-potoana iasan’izao fitondrana izao.