Tanora TIM sy RMDM Antsiranana – Tontosa ny fanadiovana tanàna nataony

Isambilo

Tontosa ny sabotsy teo ny fanadiovana tanàna nataon’ny tanora TIM sy ny tanora RMDM any Antsiranana, faritra Diana. Maro ireo namaly niantso, nanadio ny Place Joffre any amin’ny renivohitry ny faritra Diana. Ny Place Joffre izay toerana manan-tantara, fandalovan’ny mpitsangatsangana sy ny mpizahatany, satria ahitana ny Helodranon’Antsiranana, sy ny seranan-tsambon’i Diego.

Manoloana ny hetsika sôsialy vitany, nisy ny fanambarana sy fisaorana nataon’ny tanora TIM sy ny tanora RMDM Antsiranana: ”misaotra antsika jiaby Jeunes TIM sy Jeunes RMDM jiaby, nagnatanteraka ny adidy tamin’ny fagnadiovagna Place Joffre, ary isaoragna Mr le Maire Diego DJAVOJOZARA JEAN LUC, nanome autorisation nahafahana nagnatanteraka ilay fagnadiovagna, misaotra tompoko.”

Hetsika efa nataon’ireto tanora any amin’ny faritra avaratr’i Madagasikara ireto koa ny fambolen-kazo, fiarovana ny tontolo iainana, tontolo iainana, izay efa manomboka miha-potika koa any an-toerana.