Filoha Ravalomanana – Manameloka ny fanaovana ramatahora ireo mpanolotsainan’ny tanàna

Stefa

Manameloka ny fanaovana ramatahora sy antsojay ireo mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo (CUA), ataon’ny ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriantsitohaina sy ny ekipany, ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny nasiônalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM.

Ny fitoriana eny amin’ny fitsarana lava ataon’ny CUA, ireo mpanolotsaina tsy mitovy hevitra aminy, hoy ny fanambarana dia fanaovana tsindry hazolena sy ramatahora ireo olom-boafidy ireo, misy ny avy amin’ny antoko TIM, misy ny avy amin’ny IRK:”manoloana ny raharaham-pitsarana an’ireo Mpanolotsaina Tiako i Madagasikara (TIM), sy i Clémence Raharinirina, izay niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny Zoma 29 Aprily 2022 teo, ka niafara tamin’ny famoahana didy mametraka eo ambanin’ny fanaraha-maso ny fitsarana azy roa vavy ary fahafahana vonjy maika kosa ho azy 5 mirahalahy mpanolotsaina; ny tenako sy ny antoko Tiako i Madagasikara ary ny RMDM dia manameloka ny fihetsika miendrika « ramatahora » natao tamin’ireo olomboafidy ireo. Mampahery hatrany an’ireo izay enjehina noho ny hevitra tsy mitovy. Sahia mijoro hatrany! », hoy izy.

Mikasika ity raharaha ao anivon’ny tanànan’Antananarivo ity, ny ben’ny tanàna Vazahabe mihitsy no tokony ho efa gadraina, satria nanampatra fahefana, sy nanitsakitsaka ny lalànan’ny fitantanam-bolam-panjakana. Nitrosa vola ho an’ny kaominina nefa, tsy nahazo fankatoavana tamin’ny filan-kevitry ny tanàna.