Ivontoerana Safidy – Maika ny fametrahana lalàna sy tontolom-pifidianana matotra

Nangonin’Isambilo

Nanao fanambarana ny Ivotoerana Safidy, izay anisan’ny mpanara-maso ny zotram-pifidianana eto amintsika ny faran’ny herinandro teo. Zava-dehibe ary maika hoy izy ireo ny fametrahana lalàna sy tontolom-pifidianana matotra sy araka ny tokony ho izy, mba hiantohana fifidianana marina, malalaka, handraisan’ny rehetra anjara ary eken’ny rehetra amin’ny ho avy, ka hanajana ireo fototra ara-demokratika:

Araka ny fanambarana : « noho ny finiavanay hampanjaka ny tena demokrasia eto Madagasikara sy ny hisian’ny fifidianana marina, malalaka, mangarahara, itokisana sy eken’ny rehetra eto amin’ny firenena. Ary noho ny traikefa anananay sy ireo soso-kevitra natao mikasika ireo tsy fahatomombanana hita nandritra ny fanaraha-maso ny fifidianana natao tamin’ny taona 2018-2019-2020 teto amin’ny firenena, izay tsy mbola nisy fepetra noraisin’ny Tompon’andraikitra isan’ambaratongany, mba hanitsiana sy hanatsarana izany. Izahay, firaisamonim-pirenena ato amin’ny Sampana fanaraha-maso ny fifidianana SAFIDY dia mamerina manaitra ny rafi-pitondrana voakasiky ny raharaham-pifidianana eto amin’ny firenena ary ireto manaraka ireto no hevi-dehibe fanatsarana tokony himasoana:

Mikasika ny registra nasionalin’ny fifidianana sy ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy: mangataka izahay mba hisian’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, ary ny fanjakana dia tokony hanokana famatsiam-bola sy hoenti-manana entina manatanteraka izany ara-potoana, satria ny and. 11 ao amin’ ny lalàna fehizoro 2018-008, dia manery ny hanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy isaky ny 10 taona, izay tamin’ny volana novambra 2010 no nanaovana izany farany. Etsy andaniny, ny fanavaozana sy fandrafetana ny lisitry ny mpifidy dia tokony andrikitry ny CENI ka tsy tokony hitsabahan’ny fahefana mpanatanteraka (and 12).
Ny lisi-pifidianana raha tsiahivina no isan’ny niteraka faharefoana sy tsy fahatomombanana ka anton’ny nisian’ireo tsikera sy fandavana momba ny fifidianana farany teo.

Mikasika ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana sy ny fitsapan-kevibahoaka :
– Mikasika ny tsy fisian’ny lalàna mifehy ny vanim-potoana mialohan’ny fampielezan-kevitra ofisialy. Zava-dehibe ny famenoana io tsy fisian’ny lalàna mifehy io, ka tokony hapetraka ny rijan-teny hifehezana io vanim-potoana mialohan’ny fampielezan-kevitra ofisialy io.
– Mikasika ny fahafohizan’ny faharetan’ny fe-potoana natokana ho an’ny fampielezan-kevitra( and 56).
Ny faharetan’ny fotoana natokana ho an’ny fampielezan-kevitra ofisialy dia tokony ho halavaina, mba ho ampy tsara arakaraka ny fifidianana hatao mba (i) hiantohana ny fitovian’ny herijika misy eo amin’ny kandida mpifaninana sy (ii) mba hisian’ny fanentanana ampy, sy hisitrahan’ny olompirenena ireo vaovao feno, ka hahafahany manao safidy malalaka sy voahevitra tsara mandritry ny andron’ny fifidianana.
– Mikasika ny tsy fiandanian’ny fitantanan-draharaham-panjakana (and 60). Tokony hamafisina ny tsy fiandanian’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny tsy fahafahana mampiasa ny fahefam-panjakana ary ny fananam-panjakana, ho amin’ny fampielezan-kevitra, mba hisorohana ny fampiasan’ny kandida sy ny antoko politika sasany ireo fananam-panjakana mandritra ny fotoam-pifidianana ; ary indrindra ny tokony hisiana sy hampihàrana ny sazy hentitra mikasika izany.
– Mikasika ny fanerena hanokatra kaontim-pifidianana, mba hanaraha-maso ny famatsiam-bola amin’ny fampielezan-kevitra.
Ny kandida rehetra dia tokony terena hanokatra kaotim-pifidianana manokana any amin-ireo banky na paositra miasa eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, izay kaonty tokana handrotsahany sy hikirakirana ny vola natao ho ampiasaina amin’ny fandaniam-bola amin’ny fifidianana, mba hiantohana ny fangaraharana.
– Mikasika ny Kaomisaona manaramaso ny famatsiam-bola ny fiainam- politika (CCFVP) (89).
Momba ireo mpikambana ao amin’ny CCFVP, dia tokony hisokatra amin’ny sehatra hafa noho ny amin’izao ireo tokony ho mpikambana ao, tahaka ny ao amin’ny SAMIFIN, ny BIANCO, ary ireo firaisamonim-pirenena, sy mba hanomezana ity rafitra ity ireo fahefana, fitaovana sy famatsiam-bola ilaina hanatanterahan’izy ireo araka ny tokony ho izy ny andraikiny.

Mikasika ny famerana ny vola hampiasain’ny kandidà amin’ny fifidianana. Averina ny maha zava-dehibe ny famerana ny fandaniam-bola hampiasain’ny kandidà amin’ny fifidianana, mba hiantohana ny fitovian’ny herijikan’ny kandidà rehetra , hisorohana ny kolikoly sy ny famotsiam-bola ary ny « fifanarahana miafina misy eo amin’ny kandidà sy ny orinasa na mpiantsehatra hafa eto an-toerana na vahiny », izay tsy hifanaraka amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Tokony hatao mazava sy azo araha-maso rahateo ny fiavian’ny vola ho lanian’ny kandidà mandritra ny fifidianana.

Mikasika ny fanovàna ny lalàna 2015-020 mikasika ny CENI: Ireo fombafomba fanendrena ireo mpikambana sy ny rantsa-mangaikan’ny CENI dia tokony ho havaozina sy ho ampahafantarina ny rehetra mba hanamafisana ny fahatokisan’ny olona io rafitra io, indrindra eo amin’ireo kandidà mirotsaka ho fidiana mba ho eken’ny rehetra ny voka-pifidianana havoakany.

Mikasika ny fifanolanana mikasika ny fifidianana (art 200 sy ny manaraka):
Ilaina ny fanalavàna ny fe-potoana momba ny fitorohana raha misy ny fifanolanana mba hahafahan’ny mpangataka manan-draharaha handrafitra tsara ny fitoriany, sy mba hahafahany hitondra ireo porofo tsy azo lavina, indrindra raha lavitry ny rafi-pitsarana mahefa izy. Ankilany, mikasika ireo heloka amin’ny fifidianana, dia tokony hampiharina tokoa ireo lalàna manan-kery ary hamafisina ny fampiofanana ireo mpisehatra natao hizaha ny heloka ara-pifidianana.

Mikasika ny fitantana raharam-pifidianana amin’ny ankapobeny:
Ny mpiantsehatra rehetra (CENI, OSC, Antoko-politika, Mpitantana ifitony/fokontany) voakasiky ny raharaham-pifidianana sy ny fanaraha-maso ny fifidianana dia tokony ho voahofana tsara sy ampy fitaovana indrindra ireo eo anivon’ny fokontany (CLRE) sy ireo rehetra misehatra ao amin’ny rafi-pitantanana mikasika ny fifidianana eny ifotony, izany dia mba hahavitany ny asana araky ny lalàna velona.

Mikasika ny fanatsarana ny fahazoam-bokatra eo amin’ny fanabeazana amin’ny fifidianana sy eo amin’ny fampielezan-kevitra:
Tokony ho hatsaraina ny fanabeazana sy ny fampitam-baovao mikasika ny fifidianana, ary omen-danja, amin’ny alalan’ny fampidirana ny fanabeazana ho « olompirenena vanona » ao amin’ny praogramam-pampianarana mihitsy. Ilaina ny fanavaozana ny rijan-teny misy, mba hamporisihana na hanerena mihitsy ireo haino, vaky jery na miankina amin’ny fanjakana na ireo tsy miankina, hanao fanabeazana mikasika ny fifidianana. Hamafisina ny fanabeazana ny olompirenena ataon’ireo rafi-pifidianana, sy ny firaisamonim-pirenena ary ny antoko politika, mba hitandroana ny fahatokisan’ny rehetra ny valim-pifidinana.