Ravalo tany Amparafaravola sy Ambatondarazaka -Tena vonona fa tsy vonombonona hanompo ny vahoaka sy ny firenena

Isambilo

Nanatrika ny fameloma-maso, na redynamisation ny antoko TIM, sy ny fifampiarahabana tratry ny taona, teo amin’ireo mpikatroka sy ny birao politika, ny filoha Marc Ravalomanana, tany Ambatomainty distrikan’Amparafaravola, sy tao Ambatondrazaka any amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny sabotsy teo. Ny maraina no nanatanterahana izany tany Ambatomainty Amparafaravola ary ny tolakandro kosa ny tao amin’ny renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro.

An’arivony maro no tonga niatrika ny fotoana, tany amin’ireo distrika roa ireo. Nikarakara izao hetsika izao ireo depiote mirahalahy voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM, tany Amparafaravola Rabekijana, sy ny voafidy tao Ambatondrazaka Fidèle Razarapiera, sy ny ekipan’izy ireo avy, niaraka tamin’ny Reg-TIM any amin’iny faritra iny, notarihan’ny filohany Ramanotronarison Charles. Nohamafisin’ny filoha Marc Ravalomanana nandritra izany, fa tena vonona ny tenany, fa tsy vonombonona fotsiny, ho amin’ny fanompoana hatrany ny vahoaka sy ny firenena, efa nivoady aho ny amin’izay, hoy izy.

Mikasika ny hosoka sy ny halabato nisy tamin’ny fifidianana farany, ka noporofoin’ny filoha lefitry ny CENI tamin’izany fotoana, tamin’ny fisian’ny doublon maro, tsy hisy hanaiky ny toy izany intsony amin’ny fifidianana manaraka ho avy eo, hoy i Dada. Nohamafisiny, fa tsy hisy ny fampandrosoana ny firenena raha tsy harovana ny tantsaha mpamboly sy mpiompy, amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo zezika, masomboly, tohadrano na dam,…

Notsindriany fa antony hijoroany amin’ny hijereny ny vahoaka ny tsy fandriampahalemana misy, ny demôkrasia voahitsakitsaka, ny lalampanorenana voahitsakitsaka: ohatra iray mbola notsiahivina tamin’izany ny fametrahana governora, izay tsy misy ao anatin’ny lalàna fototra eto amin’ny firenena. Fa nitafa nivantana tamin’ny vahoaka koa ny filoha Ravalomanana tamin’ny fandehanany teo anelanelan’Ambatondrazaka, sy Ambatomainty Amparafaravola, re ombieny ombieny nandritra izany: ”mijaly izahay vahoaka ry Dada, ka vonjeo!”, hoy ny antsoantson’ireo mponina nolalovany. Notsiahiviny koa ireo zava-bita tamin’ny fotoana nitondrany tany Alaotra, maro no nahazo Kubota nentina namokatra, nisy ny vary famboly amin’ny ririnina nandritra ny 3 volana dia miakatra, fa tsy 2 taona ny vary vao miakatra araka ny voalazan’ny hafa, hoy izy.

Tany Alaotra koa ny faran’ny herinandro teo ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro, notsindriany nandritra izany ny tokony hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, mba hahafahana miara-manomana ny fifidianana, mba ho eken’ny rehetra ny vokatra ao aorian’izay. Hankalaza ny faha-20 taona nijoroany koa amin’ity taona ity ny antoko TIM, hoy izy. Ary ny teboka faha-3 nolazainy dia miomana ho amin’ny fiverenana amin’ny fitondrana ny antoko, lalana ho amin’izany ny famaloma-maso ny antoko toy izao natao izao, ny fanentanana ny mpikambana rehetra hanaja discipline na fitsipika, ny tokony hametrahana aloha ny fitadiavana tombontsoa manokana, fa ny tombontsoa ho an’ny rehetra sy ny firenena no banjinina.

Tonga tany an-toerana koa ny filohan’ny TIM any Toamasina, ny senatera teo aloha Jacky Manambola, ny depiote avy amin’ny antoko TIM, Me Hanitra Razafimanantsoa sy Rodin Rakotomanjato, ny ministra teo aloha Andrianjato, ny ben’ny tanàna teo aloha Guy Maxime Ralaiseheno, izay samy nanamafy, fa ny filoha Marc Ravalomanana ihany no vaha-olana hivoahan’ny firenena amin’izao krizy maro samy hafa mahazo azy izao.