Vola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena – Ny mpitondra ho voafidy manaraka no tena hitantana azy

Isambilo

Amin’ny taona 2023 ka hatramin’ny taona 2028, no hivoaka ny vola nambaran’ny filoha Rajoelina, fa ho azo avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena tany Washington, ary ny fahazoana izany dia mivoaka tsikelikely araka ny fanarahan’ny mpitondra ny fepetra, sy ny fahaizany hitantana izany vola izany, izay fanampiana ny antsasany ary trosa ny antsasany.

Arak’izany, ny filoha sy ny mpitondra ho voafidy amin’ny fifidianana filohampirenena ho avy, no tena hitantana izany vola avy amin’ny Banky Môndialy izany. Mety tsy ho izao fitondrana Rajoelina izao intsony, satria iaraha-mahita ny tsy fahaizany mitantana, sy ny tsy firaharahiany ny tena olam-bahoaka, fitondrana variana amin’ny zavatra tsy mahasoa ny va-hoaka, sy tsy mahalala ny olany. Ny vola teo aloha efa azo aza, tsy hita hoe: tamin’ny fomba ahoana no tena nandaniany azy. Ka tsy adala velively ireto mpamatsy vola iraisam-pirenena ireto hanome mpitondra tsy mahay mitantana ny volany, mitohy ny fitantanan-draharaha, ka ny mpitondra manaraka no tena homeny izaofanampiana sy trosa izao.

Raha ny navoakan’ny sampandraharaha ara-bola iray ao amin’ny Bretton Woods ity, amin’ny 2023 ny “Dé-caissement”, na ny fivoaham-bola voalohany ary any amin’ny 2028 ny farany. Arakaraky ny fampihàran’ny Malagasy ny fepetra: ady amin’ny kolikoly, fitantanana mangarahara, fampihàrana ny vidin-javatra tena izy, fanajana ny demôkrasia,… ny taona 2023 izao, vao afaka ho raisina ny tapany ampahany voalohany amin’ilay vola: 30 Tapitrisa Dolara Amerikana, ary mety ho amin’ny taona 2028 kosa no hivoaka ny ampahany farany.

Raha toa koa ka hisy ihany tokoa ny ho fanamboarana ny RN10 dia vato fototra fotsiny ihany no mety ho vitan’izao fitondrana Rajoelina izao, fa ny hamita azy dia ny fitondrana manaraka eo. Momba ity resa-bola avy amin’ny mpamatsy vola ity, nibitaka ery ny iray lapa teny Iavoloha, fa toy ny efa eny am-pelatanan-dRajoelina ny vola, hay mbola valala an-danitra dia efa hasian’izy ireo sira tokoa, arak’ilay fomba fiteny izay.