MIBITAKA AMIN’NY MBOLA TSY AN-TANANA ?

Vola mbola tsy eo an-tanana dia indreo ‘nareo mibitaka?
Izay ilay tena kely saina nefa zatra ny mamitaka!
Mbola maro ireo fepetra apetraky ny mpanome.
Ireo aloha no tanteraho vao ho azo iretsy volabe.

Fa faly fotsiny ianareo ka dia mandihy tsy afa-tavony.
(Toy ny vola efa azo sy tsy haverina intsony!)
Nefa dia fantaro tsara fa ny zanaka aman-jafy
No hamerina an’ireo ka mainka hijaly sy hihafy!

Vola mbola tsy eo an-tanana dia indreo ‘nareo midehaka?
Izay ilay tsy ampy fandinihana, mihevitra ho vokin-tehaka!
Tena hahasoa vahoaka ve ireo vola izay ho azo?
(Sao dia ny kisoa hatrany no hiletra ny mangahazo?)

Aza faly ny mandihy kanefa tsy torahan-damba,
Ianao ry manam-pahefana efa manomboka ho jamba.
Atsaharo ny hevi-dratsy izay miharo fangalarana.
Izay ho an’ireo vahoaka, izay no ataovy lohalaharana!

DADAN’i RIANA (30-04-22)