Fitantanana tanàna – Lany taratasy, lany henatra Vazahabe sy ny CUA

Ny Valosoa

Efa tena lany henatra mihitsy Vazahabe sy ny ekipany amin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo (CUA), aiza ve ka taratasy fampiasa amin’ny birao A3 sy A4 dia tsy misy ary tsy nisy tao amin’ny fiadidiana ity tanàna ity. Tokantrano tsy ahahaka, fa dia nahahaky ny mpiara-miasa ao aminy ao amin’ny CUA ihany, ny hadalana eo amin’ny fitantanana ataon’ny ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriantsitohaina sy ny ekipany.
Araka ny taratasy tenimita nataona tompon’andraikitra iray ao amin’ny fiadidiana ny Renivohitra: lany, fongana, tsy misy taratasy ampiasaina intsony ny ao amin’ny CUA.

Mahamenatra ny zava-misy toy izany, raha oharina amin’ny resabe sy fisehosehoana aseho ny vahoaka. Tena mihemotra taona firy isika izany, mila mitondra taratasy avy ety ivelany ve izany ny olona manao raharaha ao Lapan’ny tanàna, sy any amin’ny Boriboritany, zavatra mbola tsy nisy tato anatin’ny 60 taona mihitsy ny ataon’i Vazahabe sy Rajoelina ireto.

Ny filàn’ny olona rehetra mihitsy no tsizarizary, tsy misy tamberin’adidy avy amin’ireo mpitantana ny tanàna, fa toa lany any amin’ny fitoriana ireo mpanolotsaina ny andron’izy ireo, lany anamboarana dossiers, na antontan-taratasy ilaina amin’ny tribonaly angamba hoy ny be vazivazy. Taratasy tokony hanaovana asam-bahoaka anefa izany. Dia hoy ihany koa ny mpanaraby hoe: fa natao aiza ny 11 miliara Ar tany amin’ny Cnaps, tsy nividianana taratasy, manana amby ampy maro raha izay no nataon’ny mpitantana.