NY DIA TANY AMBATO

Nafana ny akon’ny dia tany Ambato.
Misonga Ravalo ary saro-tohaina,
Ka asa izay fingana indray ato ho ato,
Fa efa mivoraka ry maizin-tsaina!

Natao ny herisetra sy ireo sakantsakana,
Fa tsy nahomby ary toa tsy nanjary.
Vao mainka misosa misosa ny lakana,
Ka kivy ratsy ry volomboasary!

Ampiasaina ny tetika ambany dia ambany
Mba hanasaziana ny ekipan-dRavalo,
Kinanjo izy ireo toa misisika hatrany,
Tsy milavo lefona sy tsy mimalo!

Ravalo no “ray” hany sisa itarainan’
Ny “ambany tanàna” efa maty mosary,
Satria mihahenjana ny vidim-piainana
F’efa tsy takatra hatramin’ny vary.

…Nafana ny akon’ny dia tany Ambato,
Ka dia tera-kovitra ireo tsisy hapoaka.
Ny dian-dRavalo misosa tsy miato,
Fa izy no hany antenain’ny vahoaka!

TSIMIMALO (01-05-22)