DTN ny baolina kitra Malagasy – Rado no izy fa tsy izy i Dupuis

Ny Valosoa

Tale teknika nasiônalin’ny baolina kitra Malagasy (DTN), ao anivon’ny Federasiôna Malagasin’ny baolina kitra (FMF), Rado Rasoanaivo no izy, fa tsy izy i Nicolas Dupuis.

Notontosaina omaly zoma 29 aprily 2022 tao amin’ ny Kianja Barea Mahamasina ny fanolorana ny fandaharan’asa hotontosain’ ny FMF tarihan’ny filohany vaovao Andrianony Victorien manomboka eto. Natolotra tamin’izany ihany koa ny DTN na Tale Teknika Nasiônaly vaovao eo amin’izany rafitra izany, izay anarana tsy zoviana amin’ny kitra Ma-lagasy intsony: Rasoanaivo Rado sy ny mpanazatran’ny Barea vaovao ihany koa dia i Nicolas Dupuis.

Mbola nasisika koa arak’izany i Dupuis, izay efa nisoratena ho DTN, sady nitondra nofy ratsy ho an’ny Malagasy tamin’ny CAN, efa hita ny fetran’ny fahaizany, fa mpanazatra tsy mahomby akory fa ny mpilalao no nanana ny naha-izy azy tamin’ny nampamiratra ny Barea. Raha ity fanapahan-kevitry ny FMF ity arak’izany, hamafisin’ny mpitia baolina kitra fa raha i Rado Rasoanaivo dia tena izy, fa i Dupuis kosa dia tena tsy izy intsony. Lany olona angaha ny eto sy ny any koa Dupuis no haverina ho mpanazatra nasiônaly, hoy ny fanehoan-kevitra. Ny fianakaviamben’ny FMF nametraka fitoniana hitantanana ny baolina kitra Malagasy ary dia nifandray tanana imason’ny mpanao gazety, no nampita an’izany vaovao izany tao amin’io toerana io omaly zoma 29 aprily 2022.

Havoakan’ny FMF tsy ho ela ihany koa ny anaran’ireo mpanazatra vaovao hitantanana ny Barea CHAN sy ny Barea COSAFA.

Nambaran’ny filoha Andrianony Victorien manokana, fa tsy marina velively ny filazana an-gazety fa voarohirohy amin’ny rahahara fanondinkodinam-bola tao amin’ny Ministeran’ny fampianarana izany ny tenany.