Fampiakarana karama – Mananosarotra ho an’ny sehatra tsy miankina

Aly

Araka ny nambaran’ny Filoha Rajoelina dia hiakatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana, mbola tsy fantatra aloha hatreto ny tahany isan-jaton’izay fiakarana izay, satria efa 3 taona tsy nisy fiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana teto amintsika. Raha ny fikitihana ny karaman’ny mpiasam-panjakana izay dia tokony hisy koa ny fikitihana ny an’ny tsy miankina, toa ho sarotra anefa izany ho an’ny eo amin’ny sehatra tsy miankina eto amintsika, satria mbola mandalo krizy izy ireo amin’ izao fotoana, mbola tsy tafarina noho ireny krizy ara-pahasalamana nisy teto amin’ny firenena, sy eran’izao tontolo izao ireny. Tsy tafarina satria mety mbola hiampy izay fahasahiranana izay vokatry ny ady any Ukraine, izay miantraika ihany koa amin’ny toekarena sy ny sôsialin’izao tontolo izao, tsy afa-miala amin’izany ny orinasa Malagasy sy ny vahoaka Malagasy mihitsy. Na ho sahirana aza ireo tompona orinasa eto amintsika amin’izao ho fampakarana karama izay, tsy maintsy tokony hisy izany, mba tsy ho Zanakikalahafa ny mpiasa amin’ny orinasa. Fa ny tena ahiana hifafa ny kihony amin’izao ho fiakaran’ny karama sy ny vidim-piainana izao dia ny mpiasa tena, sy indrindra ny tantsaha, izay tsy mba manana ny ho raisina isam-bolana, tsy mba manana avy amin’ilay fomba fiteny hoe: 30 andro fanjava araiky.
Raha ny nambaran’ny fi lohan’ny vondron’ny orinasa tsy miankina malagasy (GEM), Thiery Rajaona, tsy ny olan’ny karama ihany no nodinihina niaraka tamin’ny fitondrana, fa ny tontolon’ny asa manontolo, izay efa namafisiny hatramin’izay fa mila fifampidinihina matotra amin’ny fanjakana ny tontolon’ny fandraharana eto Madagasikara. Nisy izany teo aloha tamin’alalan’ilay sehatra “Dialogue Public Privé” ary somary niato izany nandritra ary taorian’ny fandalovan’ny valan’aretina Covid19. Momba ny fiakaran’ny karama 9,9%amin’ny sehatra tsy miankina, efa nihàtra nanomboka ny voalohan’ny volana aprily izany ho an’ny sehatra tsy miankina, araka ny voalazan’ny filohan’ny GEM hatrany. Efa maro ireo orinasa nampihàtra izany avy hatrany, tsy niandry ny didim-pitondrana araka ny voalazan’ny fanjakana raha ny nambaran’ity filohan’ny tompona orinasa ity hatrany. Naza-vain’i Thierry Rajaona, fa manaja ny karama farany ambany ho 200.000 ariary avokoa ny orinasa tsy miankina voasoratra ara-dalàna, fa ireo tsy mbola tafiditra ao anatin’ny sehatry ny ara-dalàna no tsy manaja izany, ho fanamarihana ny voalazan’ny mi-nisitra mahakasika izay.