Antoko TIM – Fotoan-dehibe anio any Amparafaravola sy Ambatondrazaka

Fotoan-dehibe ho an’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) anio any Amparafaravola sy Ambatondrazaka, any amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Hanao rodobe any an-toerana ny birao politikan’ny antoko hotarihan’ny filoha nasionaly Marc Ravalomanana, sy ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, eo koa ireo depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko, ireo mpitarika ity antoko najoron’i Dada ity any amin’ny Faritanin’i Toamasina teo aloha, sy any Alaotra Mangoro,…Ho avy maro ihany koa ny vahoakan’Alaotra hanotrona azy ireo.

Fanehoana ny tanjak’ity antoko mpanohitra anisan’ny lehibe indrindra eto Madagasikara ity no hatao anio. Amin’izany no hamotsipotsirana ny tsy firaharahian’izao fitondrana Rajoelina izao ny fijaliana sy ny fahasahiranam-bahoaka: toy ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana misy na an-tanàn-dehibe, indrindra ny amin’ny faritra ambanivohitra, ny tsy firaharahian’ny fitondrana ny tanin’ny olona lasan’ny vahiny, ny fanavakavahana amin’ny endriny samy hafa, indrindra ny momba ny amin’ny tontolon’ny fitsarana,… Ny hita sy tsapan’ny rehetra dia variana amin’ny zavatra tsy mahasoa ny vahoaka ny fitondrana Rajoelina, manjaka ny kolikoly nefa misy enjehina misy tsy enjehina,…

Efa ela niandrasana ny filoha Ravalomanana sy ny antoko TIM ny vahoakan’Alaotra, hitaterany ny maharary azy, koa dia ho tafaray anio ny tia sy ny manina, sabotsy tokoa mifankahita.