EDITO 30 Aprily – Tsy voafehin’ny fitondrana Rajoelina – Midangana tsy an-kiato ny vidim-piainana

Beharo

Nanakoako tamin’izao herinandro farany mamarana ny volana aprily izao ny hoe: hasondrotra ny karaman’ireo mpiasam-panjakana, ary hoezahin-dRajoelina koa ny hihaona amin’ireo orinasa tsy miankina, mba handinihana ny anjarany, ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra, mba tsy ho kivy ambony ihany manoloana ny fisondrotan’ireo vidin’entana etsy sy eroa, vokatry ny tsy fahaiza-mitantana, vokatry ny vidin-tsolika sy seho misy maneran-tany, ady any ivelany, vokatry ny covid19, andro ratsy fotsiny ihany ohatra…

Izany rehetra izany raha atao bango tokana dia tsy vahaolana mihitsy hoy ireo avy amin’ny Ssm: Solidarite Syndicale de Madagascar), sy ireo olona efa tsy mahita, very asa tanteraka nefa mba manana ny diplaomany ihany, ary efa nifanome soso-kevitra tsy an-kiato mifanohana amin’ny zon’ny mpanjifa: Pmh-Scae.pc- Fimpa… Vao nivoaka ilay vahaolana petatoko famerana ny vidin’entana, dia samy nahatsikaritra ny rehetra, fa tsy nisy izany vidim-piainana nidina izany, teo indrindra koa moa Rajoelina no nanidina tany Washington, nangataka sy nitrosa tamin’ny Banky iraisampirenena sy ny tahirimbola iraisampirenena, nifampiraharaha nitady vonjy indray, tamin’ireo efa nanaovana vava fony izy liana mafy te-hitondra ity fanjakana ity. Izy moa dia efa filoha lany henatra, ka tsy niraharaha izay vava efa natao fa tonga nandohalika tany Washington ihany.

Raha ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana, moa ve tsy fampidinana mivantana ny vidin-javatra andavanandro izao no mahamaika? mba tsy hanavahana na miasa na tsia ny mpikarama iray, ka tsy ny fampisondrotana ny karama ho 9,9% na 30%, na Smig hakarina ho 3 hetsy Ar,… no hatao tandrametaka eo, fa mba hahena araka ny tokony ho izy ny haba sy ny hetra takiana dia mba mety hidina ny vidin’ ny PPN ireny ohatra, mba tombontsoa mivantana hitan’ireo sahirana sy ireo efa misotro ronono koa ohatra. Tsorina fa raha ny karama no asondrotra ho 100% mihitsy, dia mba hampiakatra ny azy koa ireo mpitady fivelomana hafa, fitaterana, mpivarotra, ka mety hitombo hatrany ny KERE etsy sy eroa, dia ho farofy eny foana ra-Malagasy.

Raha fintinina dia sehoseho ivelany hatrany no ataon’ny filoha Rajoelina, filoha Boaikely, hoy ireo be antitra sendra ny gazety, fa ny raharaha anatiny fitsinjovana ireo 26 tapitrisa dia toa tandrevaka be ihany, hanaovana takon’henatra foana, sarontsaronana amin’ny hoe: fitokanana làlam-baovao, rocade, teleferika, sy ny maro hafa,… nefa ny eny Manjakaray sy Ambohipo sy ny manodidina aza efa manala baraka tanteraka. Propagandy mialohan’ny fotoana no efa misongadina hoy ny rehetra, ireo efa mahazo tombon-tsoa tsy mijery ny hafa mihitsy, mamikitra ny sezany, ireo mpanohana fahatany koa dia voadona tapany ka mandoa herany, voalambolambon’ny vatsy tsinjo ka tsy mahay mibanjina ny ho aviny.