Ela niandrasana an’i Dada ny faritra Alaotra

Anio Sabotsy 30 Avrily 2022 no hihaona amin’ny vahoakan’Alaotra ny Filoha Ravalomanana, toerana roa no hotsidihan’ny Filohan’ny mpanohitra, ny tapak’andro maraina ao Ambatomainty, Distrikan’Amparafaravola, ny tapak’andro hariva indray dia ao amin’ny Espace Laza Antanifotsy, Distrikan’Ambatondrazaka.

Anisany lohalaharana ny vahoakan’Alaotra, amin’ny fitiavana ny Filoha Ravalomanana, tsy mahagaga satria maro ny zava-bitan’i Dada tany Alaotra, ny faritra Alaotra izay mpamboly vary dia nahazo tombony be dia be tamin’ny Filoha Ravalomanana, maro ireo tantsaha no nahazo fanampiana tamin’ny alalan’ ny “Psdr”, vola indramina tsy misy zanany, haverina re-hefa miakatra ny vokatra, na koa ny ampahany ihany no haverina, ankoatr’izay dia nisy ny fizarana zezika na fivarotana zezika amin’ny vidiny faran’izay mora, amin’ny fotoana fiakaran’ny vokatra indray dia tsy mila misahirana ireo tantsaha mitady mpividy, satria ny fiaraben’ny “Fanamby Rice Meal”, orinasa ao anatin’ny “Groupe Tiko” dia manatona ny tant-saha, mividy ny vary akotry amin’ny vidiny ambony, izay nahafay tanteraka ireo mpijirika zatra nanambaka ny tantsaha, afaka mivarotra ny variny amimpitoniana ireo tantsaha, tsy mila mitahiry vary akotry atao masomboly, satria efa manomana masomboly voafantina izay vidin’ny tantsaha amin’ny vidiny mora, na koa zaraina maimaimpoana ho an’ireo tantsaha tena sahirana.

Afaka nirehareha ireo tantsaha tamin’ny fotoana nitondran’ny Filoha Ravalomanana, satria maro ireo nahavidy “Kubota” sy fitaovana maro.

Indrisy anefa fa nony tonga ny taona 2009 nakan-dRajoelina ny fahefana tamin’ny fomba tsy aradalana, dia nikororosy ny fiainan’ny tantsaha tany Alaotra, tsy nisy intsony ny fanampiana arabola na arapitaovana toy ny zezika, fa dia niady irery ny tantsaha, niverina indray ireo mpanambola manao ny antsoina hoe “vary maintso”, izay zatra nanambaka ny tantsaha amin’ny fotoanan’ny maintso ahitra amin’ny alalan’ny fampindramambola, dia atakalo vary iny amin’ny fotoana fijinjana. Tsy navela niasa ny “Fanamby Rice Meal” dia vao mainka nanararaotra ireo mpanambola mividy ny vokatrin’ny tantsaha amin’ny vidiny arak’izay itiavany azy. Ny fizarana masomboly na fivarotana izany maro dia nafoy tanteraka. Azo lazaina ho nitotongana ny faripiainan’ny ankabeazan’ny tantsaha, izay tonga hatrany amin’ny fivarotana ny “Kubota”.

Midedaka ery ry Rajoelina fa izy hono no nahavita ny RN 44, lalana mampifandray an’i Moramanga amin’ny Farihin’Alaotra, kanefa efa tamin’ny fotoana nitondran’ny Filoha Ravalomanana no efa natomboka ny fanamboarana io lalana io, saingy voatery natsa-hatrin’ny mpamatsy vola noho ny fanonganampanjakana niseho tamin’ny 2009, efa nisy mihitsy aza ny orinasa nanomboka ny asa.

Ankehitriny dia naverin’ny mpamatsy vola ny fanaovana ny lalana, satria fitondrana efa “aradalana” no mitondra, na izany aza dia mitarazoka be ny fandrosoan’ny asa satria, satria misy ampahandalana tsy mety vita mihitsy, ny mpitondra rahateo tsy maha-vaha ilay olana, kanefa dia efa midehaka ery ho nahavita ny RN44 hono.

Mikasika ny fandriampahalemana dia natory tamim-pilaminana ny tantsaha tamin’ny fotoana nitondran’ny Filoha Ravalomanana, satria tsy nisy ny halabotry, fa taorian’ny taona 2009 nahazoan-dRajoelina ny fitondrana dia lasa matory any antsaha ny lehilahy, satria misy ireo mpangalatra ny vary madiva ho jinjaina, ny asandahalo manginy fotsiny, ny vady amanja-naka amin’izany matory irery any antanana.*Ireo antony voalaza ireo no mahatonga ny vahoakan’Alaotra miraikipo amin’ny Filoha Ravalomanana, tamin’ny fifidianana tamin’ny taona 2018 dia mbola ny Filoha Ravalomanana no nandresy na dia nangalatra faran’izay zokiny aza ny mpomba an-dRajoelina, koa tsy mahagaga raha hirodorodo ny vahoaka’Alaotra manontolo handray an’i Dada amin’ny anio.