RY MPITONDRA MPAMPIBABY TROSA !

Ry tia ny mampibaby trosa, hoy ny teninay vahoaka:
Aza faly mihirahira, manatsaratsara feo,
Satria ny saron’ny vilany, tsy ho ela dia hipoaka,
Raha mitohy ny hagegena sy hadalana ataonareo.

Tsy izany intsony no ilaina ho an’i Madagasikara.
(Be ny trosa miavosa izay tsy zaka raha babena.)
Ny hamafana an’izy ireny, izany no safidy tsara
Sy hany tena vahaolana hahasoa ny firenena!

Ataovy ny mangarahara ny amin’ny fomba nitantanana
Ireo karazam-panampiana tamin’ny andro-pahamehana.
Aoka izay ny “omeo omeo”, tsy saka ianao k’aleo faranana,
Sao vao mainka hitondra antsika ho any an-dalam-pilentehana!

Ry tia ny mampibaby trosa, hoy ny teninay vahoaka:
Aoka izay ny fandrahonana ireo mpampaneno lakolosy.
Mbola averina eto indray: hitohy ny antso sy hoakoaka,
Raha ny zonay mba hiteny no indro fa voahosihosy!

…’Ndeha mitady vahaolana ny amin’ny fomba hamafana
Ireo karazan-trosabe izay mbola hailiky ny zanaka,
F’aza tia mangata-dava toy ny adala sy sanana,
(Tsy misaina izay hoavy sy ny ampitson’ny taranaka!)

DADAN’i RIANA (28-04-22)