Distrikan’i Manja faritra Atsimo Andrefana – Mirongatra ny andiam-balala, potika ny fambolena

Aly

Mirongatra ny andiam-balala amin’izao fotoana any amin’ny distrikan’I Manja faritra Atsimo Andrefana. Noho izay antony izay, maro ny fambolena potika any an-toerana.

Anisan’ny faritra mpamokatra vary, katsaka, voanjo sy tsaramaso, kabaro sy ny maro hafa anefa ity distrika ity. Ankehitriny, velon-taraina ireo tantsaha noho ny firongatry ny andiam-balala sy kijeja izay, mamotika ny fambolena.

Efa tao anatin’ny tapa-bolana izay no nirongatra ireo andiam-balala ireo. Miakatra mameno ny arabe amin’ny làlam-pirenena fahasivy mihitsy aza izany, ka mananosarotra ny fifamoivoizana.

Mangataka fanampiana sy famonjena ireo tantsaha any an-toerana, ny mba hamonoana ireo andiam-balala ireo. Hisy fiantraikany amin’ny vokatra mivoaka avy ao amin’ity distrika ity ny fahasimban’ny voly izao.