Rano Jirama – Fitiliana Institut Pasteur – Misy tay sy bakteria mety hitondra aretina

Manoloana trangan’aretina tsikaritra teo anatrehan’ireo misitraka ny rano fisotro vatsian’ny Jirama, ahitàna mpanjifa fa koa biby an-trano, dia nisy ny fitiliana nataon’ny Institut Pasteur mikasika ny kalitaon’ny rano.

Rehefa nalaina ny santionany efatra ary natao fitiliana, dia ny telo tamin’ireo no tsy manaja ny fepetra ahafahana milaza fa rano fisotro na eau potable, ity rano vatsian’ny Jirama ity.

Avo ny taha eo amin’ny “bactéries coliformes”, “pollution fécale animale ou humaine”, “organisme pathogènes capables de causer des maladies entériques”. Izany hoe, ahiana hitondra aretina ny rano izay vatsian’ny Jirama.

Ilaina araka izany ny fahamalinana.

Rohy
https://www.koolsaina.com/des-traces-dexcrements-detectes-dans-leau-potable-de-la-jirama/