Raharaha Lily sy Clemence – Niala maina indray ry Vazahabe sy ny forongony

Ny Valosoa

Niakatra fanintsiviny tamin’ny fanadihadiana ny namana mpanao gazety Raharinirina Clemence ary fanindroany ny namana mpanao gazety Lily Rafaralahy, ny mpitory azy ireo dia tsy miova f’Ingahy Mera Vazahabe sy ny forongony hatrany, kanefa dia midona amin’ny rindrina hatrany ny fitoriana misesisesy, satria miezaka manao ny asany araka ny fianianana nataony ireo mpitandro filaminana sy ny ao amin’ny fitsarana.

Ilay niseho tamin’ny Talata lasa teo aleo dia tsarina, fa filambaniny tsotr’izao no nataon-dRamatoa Lalatiana Ravololomanana, izay niezaka nanadio ny ben’ny tanàna sy niaro tena fatratra, satria mpiray petsapetsa ao amin’ireo rafitra petatoko ao amin’ny Cua, izay mambotry ny vahoakan’Antananarivo.

Natao izay nanalana baraka an’izy mirahavavy, izay mpanolotsainan’ny tanàna toa an’ilay mpitory, saingy dia niala maina e, fa ilay mpitory indray no vao mainka nihitsam-boninahitra.

Efa madiva ho tapitra ny fotoam-piasan’Ingahy Mera, sarotra inoana ny mbola hahavoafidy azy amin’ny manaraka, satria ny vahoakan’Antananarivo dia vahoaka misaina, tsy hidi-bingo intsony amin’ireo izay nitondra loza ho azy, ny fahendrena ho an’ny ben’ny tanàna sy ny forongony dia ny mampitsahatra amin’izay ny fomba fanaon’ireo “mamo miantso polisy”, satria toa ireo notoriana indray no vao mainka mahazo rariny, dia tokony homena ihany koa ny vidin-tsolik’ireo toriana lava ireo, fa zon’izy ireo ny hisitraka izany toy ireo mpanolotsaina hafa, dia tokony haloa avokoa ireo vola nosamborina tsy ara-dalàna toy ny an’ny Cnaps, sns… ary farany dieny mbola tsy sarotra ny raharaha dia aleo ihany koa ravana ireo rafitra petatoko mampisy olana ao amin’ny Cua.

Omaly, mbola nisy mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo miisa 5 avy amin’ny antoko TIM voaantso teny amin’ny sampan-draharahan’ny cybercriminalite Anosy.