Maroantsetra faritra Analanjirofo – Nifangaro voraka ny raharaham-panjakana sy ny an’ny Freedom

Ny Valosoa

Nanatanteraka fitsidihana tany Maroantsetra faritra Analanjirofo ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo rakotondrazafy ny alatsinainy sy talata lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo avy any Maroantsetra dia tena nifangaro voraka ny raharaham-panjakana sy ny an’ny antoko Freedom nandritra izany. Nambaran’ireo olona nanatri-maso tao Maroantsetra, fa fananganana ny rantsan’ny antoko Freedom ao Maroantsetra no natao, fa mody notakonana tamin’ny Tagnamaro fandokoana biraon’ny TVM any an-toerana. Tagnamaro izay tsy naharesy lahatra ny olona tany Maroantsetra akory. Fananganana birao vaovao no tokony natao fa tsy fandokoana hoy ny hetahetan’ny any an-toerana, satria efa ratsy dia ratsy ilay birao.

Nitaraina tamin’izao fandalovan’ny ministra Lalatiana tany Maroantsetra izao koa ireo mpikatroka TGV, voalaza mantsy fa tsy mba nahazo fanasana tamin’izao fandalovan’i Lalatiana tany Maroantsetra izao ireo mpikatroka TGV mafana fo. Fihetsika izay sokajian’izy ireo, fa fanilihana ireo tena nanohana an-dRajoelina sy fanaovana “freedomisation” tanteraka.

Re nandritra izao diany tany Maroantsetra izao koa, fa nomena toromarika sy rahonana ireo mpiasan’ny haino aman-jerim-panjakana rehetra any Analanjirofo, mba hiditra amin’ny antoko Freedom.