Antenimierampirenena – Misy miketrika fanonganana ny birao maharitra

Isambilo

Hivory ara-potoana voalohany amin’ity taona ity, ireo Parlemanta eto amintsika dia ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena, ny talata 3 mey ho avy izao no hanomboka amin’ny fomba ofisialy izany fivoriana ara-potoana izany. Io dia araka ny voalaza ao amin’ny lalampanorenana, mivory ara-potoana voalohany ny Parlemanta eto amintsika manomboka ny talata voalohany amin’ny volana mey, koa dia io talata 3 mey io no daty hanombohan’izany fivoriana izany.

Araka ny loharanom-baovao, misy depiote maro an’isa eny Tsimbazaza amin’izao fotoana, miketrika ny fanonganana ny birao maharitr’ity andrimpanjakana mpanao lalàna ity. Vokatry ny olana anatiny ao anivon’ireo mpomba ny fitondrana no mahatonga izany araka ny voalaza, anisan’ny lasibatra amin’izay fanonganana izay ireo filoha lefitra ao amin’ity andrimpanjakana ity toy ny filoha lefitra amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa Brunelle Razafintsiandraofa, na vao noraisina teny Iavoloha aza izy tamin’ity herinandro ity. Toy izany koa ny filoha lefitra amin’ny Faritanin’i Toliara Jean Jacques Rabenirina, ny filoha lefitra amin’ny Faritanin’Antananarivo, izay tsy re intsony tato ho ato, satria misy ny antsojay ataon’ny fitondrana aminy amin’ny maha-mpandraharaha azy. Anisan’ny manana olana koa ny filoha lefitra amin’ny Faritanin’i Mahajanga Raharinirina Ninà, manana olana amin’ny governoran’ny faritra Boeny, sy amin’ny ministry ny fampianarana ambaratonga ambony. Izy rehetra ireo dia heverin’ireo depiote maro an’isa mpiara-dia amin’ny fitondrana ho manaratsy endrika ny fitondrana Rajoelina, ary manaratsy endrika ny Antenimierampirenena koa, ka ketrehan’izy ireo hoesorina izao, amin’ny alalan’ny fanonganana ny birao maharitra.

Fa anisan’ny mety hitranga eny Tsimbazaza koa amin’izao fivoriana izao, ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta, ny depiote avy amin’ny Vondrona Parlemantera TIM dia efa nilaza an’izay. Ny mampieritreritra koa, hisaorana ny Praiministra Ntsay Christian anio, hotolorana mari-boninahitra, ka mety hitondra ho amin’izay fitsipaham-pitokisana izay koa ny ho fanalana azy, satria izao efa hisaorana izao. Ho hitantsika eo ihany ny ho tohin’izany rehetra izany.