Mandena Fort-Dauphin – Nirefotra ny lakrimôzena nanaparitahana ireo tantsaha sahirana

Stefa

Araka ny vaovao farany voaray omaly, avy any Mandena any amin’ny distrikan’i Fort-Dauphin faritra Anôsy, nirefotra ny lakrimôzena tany an-toerana nanaparitahan’ireo mpitandro filaminana, ireo tantsaha sahirana nanao fihetsiketsehana. Nifampiatrika tamin’ireo vahoaka: vahoaka maty mosary noho ny fahatapahan’ny antom-pivelomany, izay nanao grevy teny amin’ny lalan’i Mandeha, ny mpitandro ny filaminana.

Marihana fa hatramin’ny nahafatifaty ny hazandrano na fia anatin’ny rano, izay mbola mitohy hatramin’izao dia tsy azo anjonoana ny toerana fanjonoana amin’ny kaominina manodidina an’i Mandena. Tapaka ny fiveloman’ireo olona tantsaha ireo. Ankoatran’ireo olana maro isan-karazany izay mbola tsy nahitana fahafaham-po.

Nandefasan’ny mpitandro filaminana baomba mandatsa-dranomaso ireo tantsaha ireo. Olona 10 no naratra vokatr’izany.

Araka ny vaovao voaray avy any Fort-Dauphin ihany, manana mpiaro ve ny vahoak’i Faradofay sa ny miaro ny orinasa vahiny no laharam-pahamahana amin’izao fotoana?