Jeunes TIM sy Jeunes RMDM Diego – Hanadio tanàna any Antsiranana ny sabotsy izao

Stefa

Tsy ny fanarahana ny raharaham-pirenena ihany no ataon’ny tanora n any Jeunes TIM sy ny Jeunes RMDM any Antsiranana, fa manatanteraka asa sôsialy koa izy ireo.

Vao andro maromaro lasa izay, no nanatanteraka fambolen-kazo ireo mpikatroka tanora avy amin’ny antoko TIM sy ny mpikatroka tanora avy amin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM), any amin’ny tapany avaratry ny Nosy iny, izao izy ireo dia hanadio tanàna ihany koa. Ny sabotsy 30 aprily ho avy izao hanomboka amin’ny 7 ora maraina, hanao fanadiovana ny Place Joffre any Diego izy ireo.

Ny Place Joffre dia anisan’ny toerana malaza sy fitsangatsanganana ao Antsiranana, mahatazana ny seranan-tsambo sy ny Helodranon’Antsiranana, ka be mpitsidika, tsy ny faran’ny herinandro ihany fa saika isan’andro. Noho izay antony izay, no nahatonga ireto tanora ireto hanadio io toerana io. Sabotsy mifankahita, hoy ny mpikarakara.