Ho fiakaran’ny vidin-tsolika – Hanao randra-mitarika ny fiakaran’ny vidin-javatra

Stefa

Araka ny nambaran’ny Filoha Rajoelina tamin’ity herinandro ity, tsy ho azo ihodivirana ny fiakaran’ny vidin-tsolika, vokatry ny ady any Ukraina. Izay fiakaran’ny vidin-tsolika izay dia hanao randra-mitarika ihany koa ho amin’ny fiakaran’ny vidin-javatra eto amintsika.

Anisan’ny voalohany amin’izany ny saran-dalana, satria hitombo ny fandaniana ho an’ireo mpitatitra, hanonga koa ny zavatra ilain’ny rehetra amin’ny fiainana andavanandro satria mifampiankina eo daholo ireo rehetra ireo. Na hiakatra aza ny karaman’ny mpiasam-panjakana, tsy hahavaha olana izany, ny mpiasam-panjakana ihany no mety ho maivamaivana amin’izany, nefa mety tsy ho ampy azy ireo koa izay ho fisondrotana eo, fa ny sarambabem-bahoaka, ny mpiasa tsy miankina dia ho sahirana tanteraka amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana eo.

Amin’izao fotoana izao aza, mbola tsy miakatra ny vidin-tsolika, efa tena sahirana ny ankamaroan’ny vahoaka, mainka fa hisy fanongan’ny vidin’ny « volamena mainty » izany, dia tsy hay intsony izay hahazo antsika rehetra eto.