Hiakatra daholo ny rehetra afa-tsy ny fahefa-mividy

Ny Valosoa

Nanao fanambarana teo imason’ny Governemanta sy ireo parlemantera miaradia aminy Ingahy Filoha Rajoelina, fa hampiakarina hono ny vidin’ny solika sy ny karaman’ny mpiasampanjakana, ny an’ireo mpiasa tsy miankina dia mbola hisy hono ny fifampidinihana eo amin’ny fitondrana sy ireo tompon’andraikitra avy amin’ny orin’asa tsy miankina. Tsy mbola voalaza ny fotoana hisian’ny fampiakarana ary tsy mbola voafaritra ihany koa ny tahan’ny fisondrotana.

Mikasika ny vidin-tsolika aloha dia efa azo antoka fa hiteraka fisondrotana eo amin’ny saran-dalana izay fiakarana izay, ka samy tsy azo ihodivirana na ny an’ny mpandeha, na ny entana izay ho entin’ny fiara izay hampiakatra ihany koa ireo entana jifain’ny vahoaka.

Mikasika ny fisondrotan-karama indray dia nanitrikitrika Ingahy Filoha tamin’ny 31 desambra 2019, nisian’ny fampisondrotana farany fa ho 13 isanjato ilay fitomboana. Ny tarehimarika 13 dia isa tena tian’Ingahy Filoha, ka asa na io 13 isanjato io ihany amin’ity, na ho 13 x2 dia manome 26 isanjato na koa mety ho 13×3 dia manome 39 isanjato, tokony ho izany satria roa taona izay tsy nisy fampisondrotana.

Ireo mpitarika sendika dia nanambara fa tokony ho 30 isanjato ny fisondrotana, ary efa nandefa tatarasy tany amin’ny Filohan’ny Repoblika, ny Praiminisitra, ny Filohan’ny Antenimierampirenena, ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Minisitry ny Fitantanambola, ny Minisitry ny Asa sy Asampanjakana ireo sendika nanazava ny anton’ilay 30 isanjato, ka raha 26 isanjato dia mba manakaikikaiky ilay 30 isanjato ary raha 39 isanjato dia mihoatra lavitra amin’ny nangatahina, fa raha 13 isanjato na latsaka izany dia efa ady ilaina amin’ny sendika ny an’ny fitondrana.

Ny 80 isanjaton’ny vahoaka malagasy dia dradradradraina fa tantsaha avokoa, tsy miandrandra karama hiakatra ireo maro an’isa ireo, ary ny tena manahirana azy ireo ny vidin’ny vokatry ny tany dia miankina amin’ny sitrapon’ireo mpanangombokatra, tsy vitan’izay ihany koa fa misedra olana ny tantsaha amin’ny famoaham-bokatra vokatry ny haratsin’ny lalana, izay tsy nisy ny fanamboarana taorian’ny tsy nahateo amin’ny fitondrana ny Filoha Ravalomanana.

Ny tena mampanahy amin’izao fampiakarana karama sy vidin-tsolika ataon’ny fitondrana izao dia vao mainka hitera-pahavoazana ho an’ny vahoaka malagasy, satria mody hoe akarina ny vola raisina, saingy manoatra noho izany ny sondrobidy aterakin’ny fidangan’ny vidintsolika, ny dikan’izany dia vao mainka mitontongana ny fahefa-mividy.