Mitohy ny antsojain’ny fitondrana – Voaantso eny amin’ny cybercriminalité anio i Lily sy Clemence

Stefa

Mitohy ihany ny antsojay ataon’ny fitondrana amin’ny mpanohitra amin’izao fotoana, araka ny vaovao voaray, voaantso eny amin’ny sampan-draharaha momba ny cybercriminalité, na heloka amin’ny tambazotran-tserasera anio amin’ny 8h30 ny mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo (CUA) Lily Rafaralahy avy amin’ny antoko TIM, sy Clemence Raharinirina avy amin’ny IRD. Araka ny voasoratra ao anatin’ilay taratasy fiantsoana dia resaka fanalam-baraka tamin’ny fahitalavitra sy resaka facebook no nitoriana azy ireo. Iaraha-mahalala fa manao fandaharana Sahia Lasa Zao amin’ny TV- MBS izy miarahavavy ireto, ka mety tsy zakan’ny mpitondra, indrindra ny ao amin’ny CUA ny famakafakana sy ny vaovao navoakan’izy ireo nandritra ny fandaharana, ka nahatonga izao fitoriana izao. Na izany na tsy izany, fanapenam-bava ny mpanohitra mivantana izao fiantsoana azy ireo eny amin’ny sampan-draharahan’ny cybercriminalité izao.