Hetsika teny Imerinkasinina – Iray tsy mivaky ny COMTIM Andoharanofotsy

Ny Valosoa

Nanao hetsika fitsangatsanganana teny Imerinkasinina Antananarivo Avaradrano ny sabotsy teo, ny COMTIM Andoharanofotsy Antananarivo Atsimondrano.

Na nisy ny sakantsakana samy hafa dia tonga maro ireo mpikatroka Tiako i Madagasikara (TIM) ao amin’ity kaominina ity, niatrika izany hetsika fitsangatsanganana sy fialam-boly izany, ny fitaterana rahateo maimaimpoana, satria nisy malala-tanana niantoka.

Nambaran’ny anisan’ny mpikarakara Andriamatoa Desiré, fantatry ny maro teny amin’ny Magro Behoririka tamin’ny anarana hoe: Hidio, voaporofo tamin’izao hetsika izao, fa iray tsy mivaky ny COMTIM Andoharanofotsy. Vonona ihany koa izy ireo hanetsika ny fototra hatrany, ho famerenana indray ny filoha Marc Ravalomanana eo amin’ny fitondrana. Tsy ho an’iza tsy ho an’iza ny COMTIM Andoharanofotsy hoy izy, fa ho an’ny filoha Marc Ravalomanana ny antom-pisiany voalohany.