Hetsika tany Fianarantsoa – Voaporofo fa miaina sy matanjaka ny antoko TIM

Isambilo

Nandritra ny hetsiky ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tany Fianarantsoa faritra Matsiatra Ambony ny sabotsy tolakandro teo dia voaporofo indray fa antoko miaina sy matanjaka ity antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity. Famelomamaso ny antoko TIM no natao tany amin’ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony nandritra izany. Tonga tany an-toerana nanatanteraka izany ny birao politika nasionaly notarihan’ny sekretera jeneralin’ny antoko, Rina Randriamasinoro, sy ireo solombavambahoaka avy amin’ny antoko TIM. Nandritra izao famelomaso ny antoko tany Fianarantsoa izao dia nisy ny fampitana hafatra ho an’ireo mpikatroka TIM, mba ho iray ny zavatra atao any amin’ny toerana samihafa misy azy ireo avy. Tokana ny tanjona hoy ny sekretera jeneralin’ny TIM, Rina Randriamasinoro dia ny hametrahana ny filoha Marc Ravalomanana hitantana ny firenena indray. Mialoha izany hoy izy dia maro ny dingana hatrehantsika manomboka izao amin’ny maha antoko politika miaina sy matanjaka antsika.

RMDM

Fa ny sabotsy maraina tany Fianarantsoa ihany, nisy ihany koa ny fihaonamben’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM), nitarika ny fotoana tamin’izany ny filoha lefitry ny RMDM any Fianarantsoa Tabera Randriamanantsoa, sy ny mpandrindra nasiônaly Jean Claude Rakotonirina. Nandritra izany no namotsipotsiran’izy ireo ny tsy fahombiazan’izao fitondrana Rajoelina izao, ka nanamafisany ireo fehin-kevitra tapaka teny amin’ny By-pass dia ny tokony hametrahan’izao fitondrana izao fialana, fa efa tsy tafavoakany intsony ny raharaham-pirenena, izay tsy mitsahatra ny mikororosy fahana. Nohamafisina koa ny tokony hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny rehetra, fa tsy an’ny mpanohitra ihany izy io, mba hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra ao aorian’izany, amin’ny fifidianana ho avy eo.