Filoha Ravalomanana – Niarahaba ny Filoha Macron voafidy indray ho Filoha Frantsay

Niaina

Nandefa taratasy fiarahabana ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron, amin’ny naha-voafidy azy indray, ho filohan’i Frantsa mandritra ny 5 taona manaraka omaly, ny Filoha Marc Ravalomanana, Filohan’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM), sady Filoha Nasiônalin’ny antoko TIM. Toy izao ny dika malalak’izany fiarahabana izany: “midera sy miarahaba anao aho amin’izao naha-voafidy anao izao indray hitondra ny Repoblika Frantsay. Mirary fahombiazana ho anao aho Andriamatoa Filoha amin’ny asa izay hatrehanao indray. Noho ny fitarihana hendry sy matotra ataonao, mino aho fa hitohy hiroborobo ny fiaraha-miasan’i Frantsa sy i Madagasikara ary vonona aho ny hanohana anao amin’izany. Raiso Andriamatoa Filoha ny haja ambony atolotro anao”.