Vahoaka Malagasy – Miha-reraka, miha-reraka nefa mitombo hatrany ny trosa babeny

Andry Tsiavalona

Miha-reraka, miha-reraka ny vahoaka malagasy kanefa dia mitombo tsy mitsahatra ihany koa ny trosa babeny ary efa tsy ho zakany intsony koa ny fidangan’ny vidim-piainana. Na izany na tsy izany dia nirohotra nijery lanonana sy nifety ny ankamaroan’ny gasy. Nanadino ny olana rehetra misy eo amin’ny fiainana ary na niakatra tsy nisy toy izany aza ny saran-dàlana nankany Antsirabe dia toa tsy nanadino ny fanao nahazatra ny mpandeha any, satria roa taona izay tsy afaka nanao izany. Ny andro talata taorian’ny Paska anefa dia efa nitambesatra tao an-tsain’ny ankamaroan’ny Malagasy sahady ny vesatry ny fiainana.

Nangina ihany koa ny resaka politika nandritra ny faran’ny herinandron’ny Paska, kanefa toa tsy andrin’ny politisiana ny nifaranan’ny fetin’ny Paska, fa vao nitsidika ny andro talata dia efa nandeha ny serasera avy amin’ny mpitondra sy ny tsy ao anatin’ny fitondrana. Nankalazaina ny nahazoan’i Madagasikara ny vola be mananika ny iray miliara dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena. Nalaza ihany koa ny nanaovan’ny filohan’ny Repobikan’i Madagasiakara ny andro Paska tany akaikin’ny Soisa tany. Nihevitra, angamba, ny mpitondra fa hampiakatra ny moralin’ny gasy ny volabe azo kanefa dia efa notsinjarain’ny mpanome ny vola any amin’ny Faritra mila izany ny vola. Misy koa ireo natokana hanamboaran-dàlana toa manaporofo fa tsy matoky izao fitondrana izao intsony ny mpamatsy vola mahazatra noho ny vava tsy ambina nataon’ny filohan’ny Repoblika, sy noho ny fitantanana tsy nandeha any amin’ny tokony ho izy momba ny ady tamin’ny covid-19, ka nitakian’ny Banky Iraisam-pirenena ny fanadihadiana ny fitantanana. Tsy fantatra mazava moa raha hanendry ireo Sampan-draharaha ao amin’ny Firenena Mikambana ny mpamatsy vola eo amin’ny fitantanana sy fitsinjarana ny vola nomeny ary hanolotra orinasa amin’ny fanatanterahana ny asa amin’ny fanamboaran-dàlana.

Nankalazaina ihany koa fa nentina tany amin’ny mpamatsy vola tany Washington ny PEM kanefa dia tsy nasian’ny tany resaka ny momba izany, satria azo inoana fa akoho tsy naneno toy izay efa lanin’ny kary. Ny velirano nataon’ny filohan’ny Repoblika aza tsy vita ny betsaka, ka fantatry ny any ivelany fa tsy ilaina ny mamatsy vola ity “vina” nofinofy fotsiny ity. Ny teto an-toerana kosa dia nampiaka-peo ny Sendikan’ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mampianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, ka nanambara fa ho “Oniversite Maty” ny eto Antananarivo nanomboka omaly alatsinainy. Nitaky ihany koa fihaonana amin’ny filohan’ny Repoblika nialohan’ny omaly, ka raha tanteraka izany dia hiverina ny asa rehetra manomboka anio. Tsy mbola teto an-toerana anefa ny filohan’ny Repoblika fa vao tonga, ka azo inoana fa hitohy izany ny “Oniversite Maty”.

Tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa iny dia niakatra tao amin’ny haino aman-jery ny politisiana ka anisan’izany ny governoran’Analamanga sady sekretera nasionalin’ny antoko TGV ary nifanandrina taminy tao ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha sady Mpandrindra ny antoko HVM. Tao amin’ny fandaharana manokana haino aman-jery tsy miankina kosa ny solombavambahoakan’i Toamasina I. Tsapa avy tamin’ireo fandaharana ireo, fa miaro ny tsy azo arovana ny mpomba izao fitondrana izao, satria na inona na inona fanadiovan-tena nataon’ny mpandraharaha mpanefoefo, mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika, dia noporofoin’ny depioten’ny Toamasina I, fa tena misy fifamatorana saro-bahana tokoa eo amin’itsy voalohany sy ny filohan’ny Repoblika Rajoelina. Manao ampihimamba eo amin’ny fandraharahana eo amin’ny sehatra fanondranana sy fanangonam-bokatra ihany koa ity mpandraharaha ity.

Tsy henatra tsy tahotra ihany koa tamin’ny faran’ny herinandro teo, fa efa nivory ny depiote IRD sy ny minisitra vitsivitsy, tany Fianarantsoa, namolavola tetika sahady hampandaniana an-dRajoelina Andry amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2023. Azo inoana fa volam-bahoaka no nolaniana sy nampiasaina tamin’izany fivoriana izany. Tena ny IRD marina no eo amin’ny fitondrana, ka manao izay tiany atao kanefa tokony ho tadidy, fa arakaraky ny hanaovana hadalàna tahaka ireo tranga rehetra ireo no hampifoha ny Malagasy, ka amin’ny fotoana tsy ampoizina dia hampiseho ny maha izy azy marina izy.