Resaka fitsarana – Miteniteny foana ny filohan’ny Antenimierandoholona hoy ny SMM

Nangonin’Isambilo

Mafanafana ihany koa izao ny fifandraisana eo amin’ny SMM, Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara sy ny filohan’ny Antenimierandoholona Herimanana Razafimahefa. Ambaran’ny SMM tamin’ny alalan’ny fanambarana nataony, notaterin’ny filohany Mbitanarivo ANDRIANTSIHORISOA, fa niteniteny foana ny filoha mpitarika etsy amin’ny Lapa Maitso Anjosikely tany Mahajanga faritra Boeny.

Milaza ny SMM fa: ”Gaga sy talanjona ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara raha nahita ny fanambaran’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona manoloana ireo ben’ny tanàna nanao fiofanana tany Mahajanga, fa « hampiantso ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Bianco ary ny PAC ny tenany, mba hahafahana mijery vahaolana » mikasika ireo ben’ny tanàna notanan’ny PAC am-ponja vonjimaika.
Tsara ny mampatsiahy fa ny Fitsarana amin’ny ankapobeny, sy ny PAC ihany koa, dia mampihàtra ny lalàna izay voafidy teny amin’ny Parlemanta, ka anisan’ny mandrafitra izany ny Antenimierandoholona. Ireo lalàna iadiana amin’ny kolikoly nofidian’ny parlemanta, no nametraka ireo heloka mety ataon’ny mpitondra henjehin’ny lalàna, ary ny lalàna ihany koa no nametraka fa anjaran’ny PAC no manenjika izany.
Matoa ireo ben’ny tanàna ireo nampidirina am-ponja dia misy vesatra ao anatin’ny raharaha iampangana azy ireo. Tsy midika anefa izany fa meloka avy hatrany izy ireo, fa mbola misitraka ny «présomption d’innoncence ».
Paikady tsy azo saintsainina akory izany fampiantsoana rafi-pitsarana ataon’ny Filohan’ny Antenimierandoholona izany, ho fanajana ny fisaraham-pahefana napetraky ny Lalampanorenana. Fitsabatsabahana amin’ny raharaham-pitsarana tsy azo ekena izany raha sanatria tanterahina.
Raha toa ka misy fanovana tiana atao amin’ny lalàna voafidin’ny Parlemanta dia manana fahefana feno amin’izany ny Antenimierandoholona hanolotra tolo-dalàna”.

Hita fa efa zatra mitsabaka amin’ny raharaha tsy tokony hitsabahany ireo manana fahefana amin’izao fotoana ao anatin’ity fitondrana Rajoelina ity, porofon’izany izao nataon’ny filohan’ny Antenimierandoholona izao.