Kaominina Antananarivo renivohitra – Alasafay ny fanamboaran-dalana, maloto ny tanàna

Radafy

Tsy tafavoaka tamin’ny asa fanarenana ireo lalana simba manerana ny renivohitra, ny Ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriantsitohaina sy ny ekipany, tao anatin’izao fe-potoana iasany izao. Tsy atao hahagaga loatra izany satria Vazahabe Ben’ny tanàna, variana sy lany andro miady amin’ireo mpanolotsaina mpanohitra ny tsy mety ataony sy mikaro-kevitra ny amin’izay hanilihina ireo. Dia tavela teo ny asa fampandrosoana ny tanànan’Antananarivo, toy ny fanalàna ny fako sy ny fanamboaran-dalana. Ny hany sisa natao dia nibaboka sy niantso vonjy. Nahatsiaro ho tomponandraikitra voafatotra amin’izany ny governoran’Analamanga, ary dia nanao angoan-tenda nilaza hanao ny asa ao anaty fe-potoana nofaritany, fa raha tsy izany dia hiala amin’io andraikitra io ny tenany.

Nisy tokoa ny asa natao tamin’ireo lalana samihafa. Anisan’izany ny eny amin’ny lalana Ampasika mihazo ny 67ha iny. Mahavariana anefa rehefa mijery sy mandalo amin’izany lalana izany, fa mbola misy ihany ampahany simba, ny efa vita potika sahady. Hita fa toa alasafay sy kitoatoa ny fanamboarana natao. Tsy novitaina ara-dalàna ve ny asa fa natao asa maika? Fa ankoatra ireo nokasihina, dia misy lalana tena tsy notopaza-maso mihitsy ary tsy nokasihina. Simba be anefa izany lalana izany. Iray amin’izany ny lalana manomboka eo amin’ny Cnaps Ampefiloha mihazo an’Ambalavao Isotry ary tonga eny amin’ny Petite Vitesse iny. Ny lalana eo amin’ity farany, na Cotona mandalo eo amin’ireo tsenana karana lehibe sy hotely maromaro ireo, dia tena haratsian’izay lalana izany. Efa amam-bolana maro no nisian’izany, izay toy ny lalana tsy an-drenivohitra, fa tsy misy tomponandraikitra miraharaha. Mety tsy mba mandalo amin’ireo lalana ireo izy ireo, ka tsy hamakiany loha, fa aleo hijaly any izay hijaly, toy ny fiara fitateram-bahoaka.

Ireo karana mpanefoefo mpivarotra amin’izany lalana izany ihany koa, etsy ankilan’izay, dia tsy mivaky loha na mandalo ny toeram-pivarotany sy trano fonenany aza. Misarika ny saina izany, hihevitra fa izy ireo dia tsy olom-pirenena Malagasy, tsy anisan’ny sarambabem-bahoaka, ary tsy mahalala afa-tsy ny fangoronany harena eto amin’ity firenena ity ihany.

Dia hatreto ny vahoaka ihany no mifafa ny kihony eo amin’izany, fa izay milaza ho tomponandraikitra manao ambany maso tsy hita izany.