Antoko TIM – Mamondrona ny heriny na misy mitady hampizarazara

Helisoa

Mamondrona ny heriny amin’izao fotoana ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tarihan’ny filoha Marc Ravalomanana, na misy mitady hampizarazara aza ny antoko ankehitriny. Tonga nihaona tamin’ny filoha Ravalomanana teny Faravohitra tamin’ity herinandro ity rehefa tsy hita nandritra ny taona maromaro, ireo olom-boatendry sy olom-boafidy tamin’ny fotoan’androny: ministra teo aloha, senateran’i Madagasikara teo aloha, depiote teo aloha, CST sy CT teo aloha tamin’ny andron’ny tetezamita, avy amin’ny antoko najoron’i Dada. Nandritra ny fihaonan’ ny Filoha Ravalomanana, sy ireo mpiara- miasa, olom-boatendry sy olom-boafidy niaraka taminy tamin’ ny fotoana nitondrany, dia nilaza ireto farany fa tsy azo ekena intsony ny fomba fitantanana ny fiainan’ ny vahoaka malagasy toy ny misy amin’izao fotoana.

Mbola fakan-tahaka na ” référence ” ny fitondran’ ny Filoha Ravalomanana, na teo amin’ ny lafiny ara- toekarena na ara-tsosialy, satria isan’ ny dingana lehibe vita ny fampiakarana ny harinkarena faobe ho maherin’ny 7% ary fanafoanana ny trosa tamin’ ny taona 2004. Ny lalana vita manerana ny Nosy nahatratra hatramin’ny 9000 km. Mirehareha izahay fa TIM hoy ireto mpikatroka, niara-nanangana ny antoko ireto ary vonona hiara-hiasa ho fanavotana ny Firenena. Hafatra 3 kosa no napetraky ny Filoha Ravalomanana, dia ny firaisankina, ny fijoroana amin’ ny marina ary fanarahana fitsipika sy toromarika.