LANY VE NY OLON’NY VOLOMBOASARY ?

Moa lany ve ny olon’ny volomboasary
No dia mahonena ny zava-mitranga,
Fa toa ny efa maimbo sy efa fanary
No mbola nalaina hamenoana ny banga?

‘Zahay tsy mitaky ny hoe hiaka-tsehatra.
(Aleo foza ihany no hasolo ny foza!)
Fa saingy ity fombanareo mamohehatra,
Andeha saino ihany fa mampidi-doza!

Tsy vitsy ireo efa nanao hadisoana,
Kanefa notanana foana amin’ny toerany.
Izay no efa mila hampiteny ny moana.
(Vao mainka tsy laitra ny fihoerahoerany!)

Misy ireo efa naato ihany koa,
F’efa miverin-tsaina ka mampitaraina.
Kanefa dia io fa ny efa naloa
No naverina indray mba ho mpanolotsaina!

Ny mpitondra teny, toa tsisy traikefa.
(Sa io dia toerana ho an’ny sipa?)
Mba hoe nofantenana mafy kanefa…
Tsy nisy hafahafa tanatin’ny ekipa?

…Moa lany ve ny olon’ny volomboasary
Fa tsy arak ‘ireo vavabe tany aloha?
Mba avaho re ny vary sy tsimparifary.
Aza mihinana am-bolony ry Ingahy filoha!

DADAN’i ZINA (22-04-22)