Anjerimanontolo – Hanao “Oniversite maty” ny SECES hanomboka ny alatsinainy izao

Isambilo

Noho ny tsy fanaovan’ny fitondrana Rajoelina laharam-pahamehana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa amin’izao fotoana, nanao fanambarana ny SECES, n any Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka, sy ny mpikaroka mpamianatra fa hanao “Oniversite maty” izy ireo hanomboka ny alatsinainy ho avy izao.

Hanomboka ny alatsinainy 25 aprily ho avy izao dia ho “Oniversite maty” ny eny amin’ny Anjerimanontolo, raha tsy mivaly ny fitakian’ny ao amin’ny SECES, dia ny lalàna mahakasika ny fizakantenan’ny Oniversite sy ny toeram-pampianarana ambony ary ny foibem-pikarohana nasionaly eto Madagasikara. Hitohy hoy izy ireo ny fikatonan’ny Oniversite manerana ny Nosy, raha tsy misy ny fandraisana andraikitra hataon’ny fitondram-panjakana.