COMTIM Andoharanofotsy – Mikarakara fitsangatsanganana eny Imerinkasinina anio sabotsy

Niaina

Mikarakara fitsangatsanganana any Imerinkasinina distrikan’Antananarivo Avaradrano anio, ny mpitarika ny antoko TIM any amin’ny kaominina Andoharanofotsy, na COMTIM Andoharanofotsy. Manoloana izay, nisy ny fanambarana nataon’izy ireo: « FANAMAFISANA avy amin’ny COMTIM Andoharanofotsy, voafidy ara-dalàna ary mbola am-perin’asa, ankatoavin’ny foibe eny BEL’Air izahay mpitantana. Manentana antsika mandala ny ara-dalàna tsy ho voasariky ny mpanao tsy maty voalavo an-kibo. Mbola misy ary ho tanterahina amin’ny sabotsy 23 aprily, ny fitsangatsanganana kasain’ny Mpikambana Tiako i Madagasikara eto amin’ny Kaominina Andoharanofotsy hatao eny Imerinkasinina. Mbola tsy miova ny fandaharam-potoana, fa raha mikasa ny handeha fiara iombonana ianao dia eo amin’ny TOTAL Mandrimena amin’ny 7 ora sy sasany maraina. Raha handeha fiara manokana na koa tonga dia hivantana eny an-toerana dia eo akaikin’ny FJKM Imerinkasinina no fotoana amin’ny 9 ora maraina. Samia mitondra ny sakafo sahaza azy avy. Mivatsia akanjo mafana, aro orana, tsihy, lambahoany sns… Tsy terena ny fandoavana saran-dalana izay isaorana ny tsara sitra-po niantoka izany. Nefa tsy mandrara ary isaorana mialoha koa izay terem-panahy handray anjara amin’izany. Lazaina eny am-piaingana ihany ny fandaminana momba io. Aza matahotra, minoa fotsiny ihany ary iray ihany ny tanjona dia Dada Ravalomanana amin’ny 2023, koa aza manaiky ampiadian’ny hafa isika mianakavy”, hoy ity fanambaran’ny COMTIM Andoharanofotsy ity.