Washington – Nahazo tehamaina, tsongo sofina ary mibaby trosa Rajoelina

Ny Valosoa

Nahazo lesona, sinton-tsofina, tehamaina, mibaby trosa, izay no azo andikàna ny fanambarana nataon’ny Banky Iraisampirenena na ny Banque Mondiale, mitatitra ny teny nataon’ny tale David Malpass tamin’ny filoha Malagasy Andry Rajoelina, tany Washington, misy ny foiben-toeran’ny Banky Iraisam-pirenena, sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI).

Nahazo lesona ara-toe-karena ity farany manoloana ny fiiban’ny harinkarena, nilazan’ny talen’ny banky iraisampirenena, fa ilaina ny mifantoka amin’ny fambolena sy fanjarian-tsakafo, ka mila velarina ny vokatra hafa ankoatra ny vary eo amin’ny sehatry ny fambolena. Mazava loatra izany raha tena filoha mitsinjo ny vahoakany, saingy an-kevitry ny variana loatra amin-javatra hafa ingahy filoha dia mila atoro, lasa fanafaram-bary no laharam-pahamehana ho azy sy ny ministra Edgar, fa tsy ny fampitomboana ny voka-barin’ny tantsaha. Teo koa dia nambaran’i David Malpass, fa ilaina ny miala amin’ireo mpamatsy rianaratra lafo vidy sy mampijaly vahoaka, sehatra iray tsy ahitàna andro mihiratra ary mampikaikaika hatramin’izay 3 taona sy tapany nitondran’i Andry Rajoelina izay. Notsindrin’ny talen’ny Banky Iraisampirenena ihany koa, fa ilaina fanatsaràna ny lafiny fangaraharahàna, ny lafiny fitantànana ary ny ady amin’ny kolikoly. Dia nofaranany tao anatin’ny fanambarana, fa ilaina ny manao laharampahamehana ny fanaovam-baksiny Covid-19, mba hitondra vokatsoa ara-toe-karena eo amin’ny sehatry ny fizahantany. Iaraha-mahalala fa tsy mba nanentana ny vahoaka tamin’io fanaovam-baksiny io mihitsy Rajoelina.

Tsikaritra araka izany, fa filoha tsy mahay mitantana firenena, tsy mahalala ny laharampahameha ho an’ny vahoaka, ary tsy mitsinjo ny fahasalamany no nitonantonana nangata-bola tamin’ireo mpamatsy vola mahazatra: Banky Iraisampirenena. Ny Filoha Rajoelina, izay efa nanaovana vava be hoe: “tsy mila ireo mpamatsy vola mahazatra ireo fa na 2030, na 2050, na 2060, tsy ho tafavoka raha miantehitra amin’ireo”. Izao anefa nandeha nandohalika tany amin’izy ireo, nandeha nitrosa tany ary mibaby trosa hody eto an-tanindrazana. “Tsy mahalala menatra io o!”, hoy ilay hira izay.