Fitondrana Rajoelina – Lasa miandrandra fanampiana amin’ny mpamatsy vola mahazatra

Andry Tsiavalona

Efa lasa fahazaran’ny mpitondra amin’izao Repoblika fahaefatra andiany faharoa izao mihitsy, ny miandrandra fanampiana any amin’ireo mpamatsy vola mahazatra, toy ny Banky Iraisam-pirenena (Banque Mondiale) sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) na dia teo aza ny vava tsy ambina nataon-dRajoelina Andry tamin’izany fotoana izany. Tsara tsiahivina tokoa ny vava nataony, fa raha mbola ireo mpamatsy vola ireo ihany no ianteherana sy antenaina dia tsy handroso mihitsy i Madagasikakara na amin’ny 2030 na amin’ny 2050, na 2060.

Vao tamin’ny taon-dasa, 2021, dia efa nidehaka fa nahay nandresy lahatra ny Tale Jeneralin’ny Banky Iraisam-pirenena, ka nahazo telonjato tapitrisa dolara mahery. Fandresen-dahatra, hono, kanefa vola zon’i Madagasikara avy amin’ilay antsoina hoe « Droit de Tirages Spéciaux » izany. Manararaotra ny tsy fahafantaran’ny vahoaka « valalabe mandry » ny fifandraisana misy eo amin’ity mpamatsy vola iraisam-pirenena ity, sy ny firenena rehetra maneran-tany, ny filohan’ny Repoblika, ka mihebohebo. Famahanan-dalitra ny Malagasy iny fanambaran’ny filohan’ny Repoblika iny.

Tsapa sy hita tato anatin’ny telo taona taorian’ny niparitahan’ny valanaretina covid-19 teto Madagasikara ny taona 2020, fa zarin’ny fitondrana Rajoelina Andry miandrandra fanampiana (vatsy tsinjo, tosika fameno, fizarana hani-masaka) ny Malagasy mahantra sy tsy ampy sakafo. Tsara ho fantatra, fa fanampiana avy any ivelany no nahafahan’ny mpitondra nanao izany ary nangatahan’ny Banky Iraisam-pirenena ny tatitra momba ny nampiasana ny vola nomeny. Midika izany fa tsy mahatoky ny fitondrana misy eto Madagasikara ireo mpamatsy vola mahazatra ireo.

Amin’izao dian-dRajoelina Andry any New York, Etazonia izao dia nomena fanampiana manodidina ny efapolo sy dimanjato tapitrisa dolara i Madagasikara, tsy Rajoelina Andry, fa hoentina manarina ny Firenena taorian’ny fandalovan’ny rivodoza sy ny fiparitahan’ny valanaretina (fanamboaran-dàlana, fanarenana ny toe-karena,…). Sokajiana ho « Firenena Mpitari-dàlana » (Pays Pilote) eo anivon’ireo firenena marefo indrindra i Madagasikara.

Iaraha-mahalala tokoa fa firenena faran’izay mahantra indrindra maneran-tany i Madagasikara ary tsy azo itokisana amin’ny resaka fitantanana ara-bola ihany koa ny mpitondra eto amin’ity Firenena ity araka ny voalaza etsy ambony. Ny zava-doza dia ny vahoaka ihany no mizaka ny tsy eran’ny aina, satria izay fanampiana zaraina amin’izy ireo dia tsy mahavita herintaona fa zara raha mampitony ny hanohanana ao anatin’ny roa na telo andro. Raha fanamboaran-dàlana no resahina dia dimanjato kilometatra no vitan’io vola fanampiana nomen’ny Banky Iraisam-pirenena sy Tahirimbola Iraisam-pirenena io. Ka hamitàna ny Làlam-pirenena faha-13 sa ny faha-5bis sa…?

Milaza moa izao fitondrana izao, fa anisan’ny laharam-pahamehana ny fambolena, ka barazy aiza na lemaka aiza no harenina ny lakan-drano mamatsy rano ny tanimbary. Na ireo ihany aza no jerena dia hatahorana indray ny tari-drano an-kihilahila, ka ny very no betsaka. Ka tsy ho “Firenena Mpitari-dàlana” velively i Madagasikara satria tsy hisy vokatra azo antenaina avy aminy, satria telo taona sy tapany izay no nitondrany ny Firenena kanefa dia niiba ny harin-karena faobe, ka sarotra ny hampiakatra ny harin-karena ho miabo ato anatin’ny iray taona sy tapany. Azo inoana ihany koa fa tsy maintsy hisy ny fepetra amin’ny fomba handaniana ny fananampiana noho ny tsy fahombiazan’izao fitondrana izao tamin’ny fitantanam-bola tsy mangarahara, ka nangatahan’ny Banky Iraisam-pirenena ny nanaovana fitsirihana (audit) ny fandaniana. Ny fanantenana dia tsy hiverina indray ny famaritana an’i Madagasikara ho Firenena “tsy mendrika” hampiana noho ny mpitondra ao aminy “tsy mendrika” ny vahoaka ao aminy!