Vazahabe iray hafahafa koa – Mbola tsy DTN izany aloha hatreto i Nicolas Dupuis

Rainilita

Mbola manjavozavo tanteraka ny mikasika ny mpanazatran’ny Barea teo aloha, Nicolas Dupuis, izay nanambara nivantana tao amin’ny “média français So Foot ” fa : “ Izaho no notendren’ny Kômity mpanatanteraky ny FMF ho DTN “tale teknika”, tao anatin’ireo kandidà maherin’ny 20 nametraka antontan-taratasy ho fidiana tamin’izany toerana izany”. Fantatra ihany koa, araka ity “media français” ity hatrany, fa efa nandray birao teny Isoraka ny tenany, ka ireo Kômity mpanatanteraka tarihan’ny « aile Alfred Randriamanampisoa », miaraka amin’ireo filohana Ligim-paritry ny baolina kitra miisa 21 izay nanendry SG vaovao tao anatin’ny Fivoriambe nataon’izy ireo tamin’ny 31 martsa 2022 teo, tetsy amin’ny Kianja Barea, no heverina fa nanokatra an’ireo birao teny Isoraka, na dia mbola nivory niaraka tamin’ny FIFA tany ivelany aza ny filoha lefitry ny FMF voalohany, sy ny SG am-perinasa.

Hatreto izany dia mbola tsy ôfisialy izany fanendrena an’i Dupuis izany, misy mihitsy ny milaza ireo ao amin’ny FMF fa fanandratan-tena na auto-proclammation no nataony nilaza fa DTN io, na ireo elatra nanao ny fiantsoana ireo ho kandidà amin’izany toeran’ny DTN izany aza, mbola tsy nilaza izany ofisialy. Ka tena Vazaha iray anisan’ny mampihomehy eto amintsika koa ity Vazahabe Dupuis ity, ankoatra an’ilay Vazahabe ben’ny tanànan’Antananarivo, sy ilay ministry ny raharaham-bahiny teo aloha. Tena “drôle” izy ireo, hoy ny fiteny Frantsay mahalaza azy tsara ary ampiasain’ny zatovo koa ankehitriny. Manaraka ity raharaha ity akaiky ny mpitia baolina kitra malagasy ary mbola manara-maso ihany koa ny amin’ity mpanazatran’ny Barea teo aloha ity, fa hatreto aloha amin’izao nahavitan’ny antsapaka amin’ny fifanintsanana CAN Côte d’Ivoire 2023, izay notanterahina tatsy Johannesburg Afrika Atsimo tamin’ny talata 19 aprily 2022 teo izao, ka hiraisan’ny Barea vondrona (E) amin’i Ghana, Angola ary ny Repoblikan’i Centrafricaine dia mbola ny mpanazatra Rabesandratrana Eric hatrany, no mbola ôfisialy mitantana an’ity ekipam-pirenena Malagasy ity.

Marihana fa tamin’io antsapaka CAN 2023 io dia nozaraina ho vondrona 12, ahitana ekipam-pirenena 4 ireo firenena 48 mandray anjara, saingy nisy ihany vondrona 2 ny vondrona, ny C sy ny vondrona K, izay tsy hisy afa-tsy ekipa 3, noho ny nampiatoan’ny FIFA an’i Kenya sy i Zimbawe.