Fikaonandoham-pirenena ho an’ny rehetra – Tokony ho tanterahana amin’ny volana mey hoy Joseph Yoland

Franck Razakambelo

Tsy tokony ho taran’ny volana Mey 2022 ho avy izao, ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena, mba hahafahana mihaino ny hetahetan’ny vahoaka Malagasy mikasika ny fitantanana ara-toekarena sy ny sosialy hoy Andriamatoa Joseph Yoland Cst teo aloha (Conseil Superieur de la transition) ary efa senateran’i Madagasikara. Nanohy fanazavana ity olom-boafidy teo aloha ity, fa efa tafakatra 1500 Ar ny kapoakan’ny vary any Nosy-Be Hell-Ville amin’izao fotoana izao ary ahiana mbola hiakatra hatrany ny vidim-piainana, ka hijaly ny vahoaka tsy mandady harona, nohon’ny fivoaran’ny toe-draharaha iraisam-pirenena.

Nanamafy Andriamatoa Joseph Yoland, fa tokony hampidirina ao anatin’ny laha-diniky ny fikaonandoham-pirenena ny fampiharana ny rafitra fanorenana ifotony, mba hahafahana manova haingana ny lalàna mikasika ny fitantan-draharaha sy ny toe-karena ary ny sosialim-bahoaka, izay tsy misy tokontaniny intsony amin’izao fotoana izao. Nilaza ity Cst teo aloha ity, fa efa voarain’izy ireo ny hevitry ny manam-pahaizana Malagasy mikasika ny rafitra, izay hitondrana ny firenena kanefa mbola andrasana ny hevitr’ireo olom-pirenena tia tanindrazana, mandritra ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny rehetra tsy ankanavaka.

Nanohy fanazavana ity loholona teo aloha ity, fa efa nanatona ny Ffkm ity farany ary nifanaiky izy ireo, fa tokony hojerena haingana ny zavatra hahasoa ny vahoaka, fa tsy ny mpitondra mifandimby foana no higoka ny tombontsoan’ny firenena. Nanohy fanazavana ity Cst teo aloha ity, resy lahatra ny Ffkm fa tsy mitombina intsony izany hoe firenena manan-karena kanefa ny mponina ao aminy kosa dia marefo sy mikorontana lava. Nilaza izy, fa raofin’ny firenena mpanjanaka avokoa ny harenan’i Madagasikara ary tsy azon’izy ireo atao ny mampatanjaka ny firenena avy nozanahina vokatr’izany tsy handroso velively i Madagasikara, raha tsy ovain’ny olom-pirenena haingana ny rafi-pitondrana eto amin’ny tany sy ny fanjakana.