Depiote Todisoa – Feno ny fepetra analana ny ben’ny tanàna Vazahabe

Ny Valosoa

Feno ny fepetra amin’izao fotoana analana ny ben’ny tanànan’Antananarivo (CUA) Vazahabe Naina Andriantsitohaina, hoy ny depiote avy amin’ny antoko TIM ao amin’ny Boriboritany faha-6, Todisoa Andriamampandry. Hipaoka ny takotra raha mbola tsy ho esorina eo ihany io hoy ny depiote Todisoa.

Nanipika teboka iray manokana, manoloana ny fitantanana gaboraraka eo amin’ny kaominina Antananarivo na CUA ny depiote Todisoa tao amin’ny fandaharana Miara-manonja tao amin’ny MBS sy ny Radio Mada, dia ny resaka kolikoly. Rehefa atao hoy izy ny fandaniana na lalàna, na tetibola eo anivon’ny mpanolotsaina dia atao vato miafina. Fahotana mahafaty izany. Tsy misy lalàna mametra izany, fa tsangan-tanana no izy. Manamarina izany ohatra ny lalàna 2015-021, 2018-021 na 2019-021. Fanahy iniana nataon’ny ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy izany anaovana kolikoly. Dia tambazana “carburant” sy vola ny mpanolotsaina izay azo ahodina ny sainy.

Ny antoko TIM dia manohitra ary tsy mankasitraka ny fitantanan’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina sy ireo mpiara-miasa aminy. Aelin’izy ireo mantsy ny tsaho fa miara-miasa amin’izy ireo ny TIM. Tsy manana traikefa ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy eo amin’ny fitantanana an’Antananarivo, hoy izy. Potika Antananarivo, fanodinkodinam-bola no atao, toy ny vola 11 miliara ariary nalaina tao amin’ny CNaps, ny fako misavovona. Misy mpanolotsaina tsy mendrika, azo sary, ao amin’ny boriboritany faharoa nitango vola tany amin’ny faha-enina. Miray tsikombakomba amin’ny talen’ny kaominina ny ankamaroan’ny mpanolotsaina. Saonja iray lohasaha, tsy ilaozan’izay hamarara, ny eo amin’ny mpanolotsaina TIM, voavidy vola. Tsy ferana ireo mpanolotsaina sadasada, fa nazavain’ny depiote Todisoa ny mikasika ny antoko, izay araraotin’ny ben’ny tanàna ny fahalemeny.

Fako roa taonina isanandro, hetra isankarazany tsy zakan’ny olona, “Fonds de dévelopement local”, fanotofana tany tsy ara-dalàna ataon’ny ben’ny tanàna lefitra izay lasa miliaridera, ny tale miandraikitra ny tsena mitango vola, volan’ny zokiolona alaina fotsiny… manahirana daholo izany hoy ity olom-boafidy ity. Ny hany vaha-olana dia ny fialàn’ny ben’ny tanàna. Efa feno ny fepetra analàna azy. Ankoatry ny fanitsakitsahana ny lalàna, eo ny fanitsakitsahana sy fanimbazimbana ny zon’olombelona, ny kolikoly, ny fanotofana tany. Mbola manao antso ny depiote Todisoa ny hanalàna ny ben’ny tanàna, fa raha tsy izany ho apaoka avokoa ny raharaha maloto rehetra.